Blaogin'i Lalasoa

Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!

Tantara mampihomehy 2

mampi2003 | 17 Jolay, 2008 12:46

Tao amin'ny dokoteram-pianakaviana iray no niseho ny tantara:

- Tena efa nahavita fandrosoana betsaka ianao dokotera! Fony tanora rehefa mankaty aho dia tsy maintsy alàna daholo ny akanjoko hozahanao, ankehitriny mitranga lela fotsiny sisa dia fantatrao ny aretina mahazo ahy!

Raha mankafy Gavalda

mampi2003 | 13 Jolay, 2008 22:03

Fialan-tsasatra ny andro ka mahafinaritra ny mamaky boky. Iza no efa namaky ny bokin'i Anna Gavalda ianareo? Misy teny vitsivitsy notsoahiko avy tamin'ny bokiny "Je l'aimais" ireto mba hahaliana anareo ny hamaky azy.

"Chez moi, on se touche, on s'embrasse comme on respire"

"Pourquoi montrer sa faiblesse? pour prendre des coups?"

"As-tu songé au chagrin de ceux qui partent?"

Mirary vakiteny mahasoa! Dia mba ilazao izay boky (roman) tsara hovakiana koa e!

Tantara mampihomehy

mampi2003 | 09 Jolay, 2008 09:58

Nisy mpizaha tany tonga tany Afrika, hono, nanontany tompon-tany iray raha misy 'requin' ny rano aty. Dia nahazo antoka izy fa tsy misy 'requin' any.

Nony tena teny amoron-drano izy ary efa niroboka mihitsy dia tsy natoky indray ka niantsoantso mafy be:

- Tena marina ve fa tsy misy 'requin' aty?

- Tena marina e! Efa nampitahorin'ny voay daholo ny 'requin' dia lasa!

Androany

mampi2003 | 08 Jolay, 2008 00:57

Ohabolana ve?

mampi2003 | 04 Jolay, 2008 22:44

Androany aho vao naheno ny hoe: "Ny mpiady tsy misy mpampionona dia ho tonga any Antaninarivo". Efa in'efatra, in-dimy aho mamerina mamaky azy fa tsy azoko mihitsy hoe inona àry ny dikan'izany? Ohabolana malagasy ve izany sa hainteny? Misy mahafantatra ny tian'izany ambara ve ianareo?

Smile Mba mety nahita ambara ihany aho raha hoe: "Ny mpiblaogy tsy misy vola dia ho tonga any Roma" Money mouth

1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12  Manaraka»
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb