Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!
mampi2003 | 31 Aogositra, 2007 10:47
Lazainao fa tinao ny voninkazo
Nefa mbola otazanao tapahina;
Lazainao fa tinao ny vorona
Nefa idinao anaty tranony;
Lazainao fa tianao ny rivotra
Nefa hidinao ny varavarankely;
Dia gaga ve hianao raha matahotra aho
Ilazanao fa tia ahy hianao?
mampi2003 | 25 Aogositra, 2007 22:42
Tsaroako matetika ity hira ity tato ho ato. Tsy fantatro ny lohateniny sady tsy fantatro ny mpihira azy nefa haiko tsianjery ny tonony :-)
Satria, hoy ny fanantenako, Rehefa any am-pasa-mangina No hisy hilazalazako Ny miafina rehetra ao am-poko. Ilay endriko maloka teny ? Tsy ambarambarako anao, Raha tsy efa vovoka, eny, Izao vatako tazana izao. Ny zava-mahory ny saiko Tsy ambarambarako anao, Raha tsy efa voaraikoIlay fiainana iray vaovao.
mampi2003 | 22 Aogositra, 2007 22:46
Efa folo andro mahery sahady aho izao no tsy nanoratra teto. Inona anefa no hosoratako?
Hmm, ny zavatra tsara telo nataoko androany:
1. Nahandro sakafo tsara ka nazoto homana ny ankizy rehefa avy nianatra: pâtes miaraka amin'ny sauce crème fraîche sy saucisses! :-)
2. Nivoaka ny trano niantsena sy nitondra ny ankizy nilalao bisikileta
3. Nahavita ilay boky nanomboka novakiako tamin'ny roa volana (How to be good, Nick Hornby)
Tsy mora ny nahavita ireo!
mampi2003 | 10 Aogositra, 2007 11:09
Voninkazo ho an'i Mama!
Sitràna soa haingana. Hotahian'Andriamanitra!
Mieritreritra anao foana!
mampi2003 | 06 Aogositra, 2007 17:52
Mamaky ny blaogin'ny namana hafa rehetra ato aho ka miaiky mihitsy fa misy manana fahalalana betsaka momba ny fivavahana sy ny Baiboly.
Anisan'ny andinin-teny tsaroako matetika momba ny fitiavana ny Isaia 49:15
"Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy
Ka tsy hamindra fo amin'ny zanaka naloaky ny kibony?
Eny, mety manadino ihany izy,
Fa izaho kosa tsy mba manadino anao"
Mitady ny lafatra ka
tsy mety afa-po!
Izay ny fiainana,
mikaroka ny mahasoa
sy ny mahafinaritra.
| « | Aogositra 2007 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | |||
| 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 |
| 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 |
| 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 |
| 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 | |