Blaogin'i Lalasoa

Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!

Iza hianao?

mampi2003 | 19 Septambra, 2007 22:55

Iza aho? Ny toetrako sy ny manan-danja amiko kokoa eo amin'ny fiainana?

Raha mahavaly ireo fanontaniana ireo amin'ny tenantsika isika dia hahalala bebe kokoa ny azontsika hatsaraina eo amintsika sy ny fifandraisantsika amin'ny hafa, indrindra ny akaiky indrindra antsika: vady, zanaka, ray aman-dreny, iray tam-po ...

 

 

Hianaro ny Ennéagramme!

http://enneagramme.ca/enneagramme.shtml

Fisaka ny marina

mampi2003 | 13 Septambra, 2007 10:09

Misy manaraka ity vaovao nanjavonan'i Madeleine McCann ity ve hianareo?

Inona no inoanareo? Novonoin'ny ray aman-dreniny ve izy? Nisy naka an-keriny ve izy? Tena fisaka loatra ny marina! Mbola misy manohy mitady azy ve any ho any?

Izany angamba ny tsy naha-polisy ahy. Mieritreritra io cas iray io fotsiny aho dia efa marary ny an-dohako!

Mitory fitiavana

mampi2003 | 11 Septambra, 2007 13:14

Ny fomba itoriana fitiavana ve no mihabetsaka ankehitriny ka toa mora ny milaza ho tia sy tiana? Sa ny atao hoe fitiavana mihitsy no miova dika?

Sendra tojo ireto tanora roa an-kevitry ny tsy mbola ampy 18 taona akory aho. Efa azonareo an-tsaina ny ataony, mifanorokoroka sns satria koa anaty vahoaka ka taitaitra ihany fa be ny mijery sy manara-maso. Nijery fampisehoana iray aho io. Nony hariva andeha hody, afaka ora roa na telo, olon-kafa no hitako nitantana ilay ankizivavy nivoaka ny fety, tsy ilay vao hitako teo mihitsy satria ilay teo nanao akanjo mainty hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia ka tsaroako tsara.

Dia vaka ny saiko. Mora miova loko ny fo ary tsy ketsa mora afindra intsony ity fa tokony omena anarana vaovao! "Taranaka" (génération) hafa mihitsy ny nandimby ny "taranaka"-Hotiaviko hianao raha mbola miaina koa aho!-

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb