Blaogin'i Lalasoa

Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!

Ny any amintsika

mampi2003 | 21 Desambra, 2007 23:01

Voaravaka hazonoely sy jiro isan-karazany aty fa handray krismasy indray. Mifamezivezy ny olona mividy kilalao sy fanomezana. Manomana ny handaniany ny andro maromaro tsy hiasana. Mamalifaly tena toy ny hoe hifarana tsy ho ela ny fiainana.

Fa izaho kosa manina ny noely any amintsika. Tsy noely tonga lafatra, tsy feno tondraka sakafo, noely masikìny kanefa noely mahasambatra. Noely mitabataba, noely misisika feno olona, noely henjikenjika. Noely tiana hiainana. Noely tsy mba adino. Tsy hay hoe nahoana.

Wikipedia malagasy

mampi2003 | 13 Desambra, 2007 22:42

Wink Dedaka kely aho nahita ny wikipedia amin'ny teny malagasy. Efa miezaka marina mihitsy isika ka! Fa tokony hanampy tosika haingana ireo Malagasy mahafehy ny teny mba hahatafatsangana azy io tsara sy ho azo ampiasaina isan'andro. I Hery (Tsiky dia ampy!) no tazako mikofokofoka ao ka saika hampiditra teny itadiavako dikany amin'ny teny malagasy aho ka sahirana ihany, ry Hery.

Undecided Ahoana no adikantsika ny hoe "estime de soi" sy "confiance en soi" amin'ny tenintsika? Ny "confiance en soi" angamba "fahatokisan-tena" fa ny "estime de soi" "fiheveran-tena" ve? Dia lasa avy hatrany amin'ny fitenintsika mahazatra hoe "mihevi-tena ho zavatra" indray ny saiko dia toa tsy mety.

Embarassed Fa manararaotra mitsikera ihany aho fa izay no mba vitako, ilay fanajana tsipelina dia tokony ho mandeha ho azy (ohatra: ny teboka roa dia mba arahina elanelana, ny torolalana tsy misy tendron-tsoratra fa ny lalàna no misy, toe-trandro sa toetr'andro?) Ny lahatsoratra rehetra, raha amin'ny ankapobeny no resahiko, dia tsy maintsy ahitana voambolana frantsay na anglisy ka manjary vary amin'anana be.

Smile Fa na izany na tsy izany, efa tena tsara sy betsaka ny ezaka vita ka misaotra anareo misoron'afo ao! Homen'Andriamanitra tolo-tsaina foana anie!

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb