Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!
mampi2003 | 28 Febroary, 2008 09:23

Ny fomba sy fanao dia ny lehilahy no mangata-bady izay tiany halaina, ary na amin'ny fotoana inona na inona tiany hanaovana izany.
Eto Suède, ny 29 février ihany no mahazo mangata-bady ny vehivavy. Isaky ny efa-taona satria tsy isan-taona no misy 29 febroary. Mety hahazo 'Eny' izy! :-) Saingy raha tsy te-hanambady ilay vehivavy mangataka azy ralehilahy dia tsy maintsy mividy zavatra ho azy. Voninkazo tsara tarehy, ohatra.
Mitovy zo marina ve ny lehilahy sy vehivavy?
mampi2003 | 21 Febroary, 2008 21:55
Taraiky be mihitsy aho an! Efa mamadibadika ny blog-nareo jejoo rehetra aho vao azoko fa hay izay taggée dia manoratra ny profil-ny fito avy! sa ahoana ny fandehany r'ikalamako? dia aleo ny lafy ratsin'ny akanjo no aseho satria na io zipon-dry 30 cm io aza misy lafy ratsiny koa, avadiho ange e!
Ka izao e ataoko haingana hi-rattraper-na azy: ity kala taggée ity an, dia tsy tena taggée akory fa modimody taggée ![]()
1/ izy dia noana lava, tia misakafo nefa tsy tia mahandro (soa fa lavitra eto ny pizzeria raha tsy izany mihinana pizza isan'andro!)
2/ hatramin'ny mbola kely izy antsoin'i Mama hoe piso nefa izy tena tsy tia saka maizina sady tsy tia maizina saka, indrindra saka mainty ohatra an'i negreta sy negrone
3/ tiany jerena ny voninkazo mamelana fa tsy tiany ananana; ny cactus no manintona azy noho ny raozy (fahotana e!)
4/ mahavita mijery films 3 samihafa misesy izy nefa tsisy hainy ny anaran'ny acteurs tao anatiny (ny contenu no important aminy, ny ambiny an'ny mpanao analyse)
5/ ny ordinateur no namany akaiky azy indrindra sy ny fahavalo hiadiany isan'andro
6/ halany maizina ny lehilahy mampirafy, be farora-bava, be tai-maso ... halany maizina ny vehivavy mpamafy ady sy mpanaratsy olona ...
7/ mi-comprendre ny olona mamono tena izy indraindray, mi-comprendre ny olona manao la vie izy indraindray!
Vita tompoko! Miandry commentaires sisa!
mampi2003 | 21 Febroary, 2008 20:17
mampi2003 | 18 Febroary, 2008 10:04
Inona mihitsy àry ny tena foto-kevitr’itony mpandefandefa spam itony? Ny tsy fantatr’izy ireny, vao maharay an’ireny aho, tonga dia SUPPR. Tamin’iny herinandro iny, fanahy iniako tsy novonoina tanteraka fa nangoniko tao amin’ny ’poubelle’. Efa maherin’ny 80 no voangoko. Raha tena izy, tena izy, efa maimbo zaoridira be tato tahaka izay.
mampi2003 | 14 Febroary, 2008 11:03

Blackstreet boys
Mitady ny lafatra ka
tsy mety afa-po!
Izay ny fiainana,
mikaroka ny mahasoa
sy ny mahafinaritra.
| « | Febroary 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | |||||
| 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
| 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
| 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
| 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | |