Blaogin'i Lalasoa

Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!

Ako

mampi2003 | 28 Aprily, 2008 16:56

Niara-nitsangatsangana tamin-drainy teny an-dohasaha ity ankizilahy kely. Tampotampoka teo, tafintohina izy ka nianjera naharary. Aaaaayy! hoy izy niantso. Gaga izy raha nahare ny feony ihany namerina hoe: Aaaaayy! Te-hanamarina izy ka niantso indray hoe: Iza hianaaao? Nahazo valiny avy hatrany izy: Iza hianaaao? Sorena amin’ny valin-teny azony ka niantso indray hoe: Kanoosa ialahy! Izay ihany ny valiny azony: Kanoosa ialahy!

Nojereny rainy ka nanontaniany: Fa ahoana no mahatonga izany ry Dada? Nihomehy rainy sady namaly hoe: Henoy izao, anaka. Dia niantso mafy izy: Mahafinaritra ahy hianao! Namaly ny lohasaha hoe: Mahafinaritra ahy hianao! Namerina niantso mafy ihany izy hoe: Mpandresy hianao! Namaly ilay feo: Mpandresy hianao! 

Gaga ilay zazalahy, nefa tsy azony veroka izay mitranga. Dia nohazavain-drainy: Ako no iantsoana izany, fa raha ny tena marina izany ny fiainana. Miverina aminao izay rehetra lazainao sy ataonao. Ny fiainantsika dia tsy inona fa fitaratry ny ataontsika. Ka raha te-hahazo fitiavana be hianao, manàna fitiavana marina ao am-ponao, mizarà fitiavana amin’ny manodidina anao. Na inona na inona atao eto, ny fiainana hamerina amin’ny tsirairay izay rehetra nozarain’ny tsirairay.

Fivarotan-tena

mampi2003 | 23 Aprily, 2008 21:39

Sendra mpanao enquête aho omaly, mpianatra any amin'ny oniversite (psychologie) hanoratra thèse. Anisan'ny fanontaniana be dia be napetrany ny hoe "Aminao, tokony horaràna eto Suède ve ny 'prostitution'?" Marihiko fa eto azo atao ny mivarotra (mivaro-tena) saingy raràn'ny lalàna ny mividy (sazy an-tranomaizina herintaona fara fahakeliny no miandry izay tratra mividy!) - Ny navaliko azy dia hoe TSIA! Taitra ihany ilay mpanadina ka tonga dia notohizako hoe, satria na horaràna aza io tsy ho foana mihitsy. Noho ny lalàna misy ankehitriny dia vehivavy be dia be eto no manoratra blaogy, mitonona ho mpivaro-tena/miasa manao escort, mitantara ny andavanandrony sy ny "karama be" raisiny, ny tamby ataon'ny lehilahy aminy ho lasa vadiny ... mipetaka ny adiresy mail, koa ahoana moa no tsy ahafahan'izay te-hividy mifandray amin'ny mpivarotra mora foana?

Betsaka ny ezaka ataon'ny fanjakana eto hanenjehana ny tera-taniny mividy (tena) na eto izy no manao izany na any ivelan'i Suède. Saingy tsy ho foana io fa vao mainka mirongatra aza. Ary tsy ny vehivavy ihany fa na ny tovolahy aza dia maro no mirotsaka an-tsehatra, indrindra ny étudiants.

Tsy horesahiko eto ny volabe lazainy raisiny fa tsy fantatra na marina na tsia tsinona, fa mamaky ilay izy aho dia mieritreritra ireo mpivaro-tena >mafy ady< any amintsika hoe, raha ry zareo no tonga aty dia "mba mahaleo ny sarany ny vidiny"! Wink

Fehiny, tsy sahala amin'i jentilisa hoe vao manomboka ny resaka dia "manamarika dieny mialoha aho fa hanafintohina olona maro ity lahatsoratra manaraka ity." Saingy zava-misy tsy azo odian-tsy hita izany na tsy mahakasika ny tena aza.

Io anarana io

mampi2003 | 19 Aprily, 2008 08:51

Manahirana ny vahiny ny manonona ny anarako. Be dia be ny fanononan-dry zareo azy io diso: [lalasola], [lalaosa], [lasolasa], [lasola] … Mahasorena ahy tamin’ny voalohany saingy lasa zatra aho rehefa ela ny ela. Omaly izay kely ny tsy nahatapaka ny tsinaiko nahita ilay ankizy niantso mafy niarahaba ahy sady nanonona hoe [salasola]!  

Ahoana no anononan’ny vahiny ny anaranareo?

Tsy maty fa matory

mampi2003 | 15 Aprily, 2008 22:09

Tohina tokoa mahare ny fahalasanan'i Romule. Ho ahy manokana, tsy maty izy fa matory. Ny fahatsiarovana ny vazivaziny sy tsikitsikiny ary ny kalokalony dia mitoetra mandrakizay.

Atolotro eto ny hirany tiako indrindra:

Tsy handrebireby anao
Raha nivily ka namangy
Amin'ny andro harivariva.
Manontany vaovao
Sanatria tsy hisangisangy
Na tonga koa hanivaiva.

Tsy hamboraka fitia
Na hitantara koa ny amiko
Fa mitandro fihavanana.
Isika moa nisara-dia
Nefa maminao sy mamiko
Ireo zaza iaraha-manana.

Efa ho herintaona mantsy
No nisarahantsika toerana
Noho ny antony efa fantatrao.
Isika akory tsy olon-dratsy
Na tsy nisy fiheverana
Fa ny lahatra ankamantatra.

Fa nandalo dia nahita
Ny efitranonao nivoha
Mbola misy hazavana.
Ela tsy nifankahita
Sanatria tsy hilanja loha
Fa mitondra fiarahabana.

Ny momba ireo zanatsika
Izay mipetraka aminao
Moa ve, moa ve salama tsara?
Satria moa ny amintsika
Dia efa fantatro sy ianao
Fa nivalona ho tantara.

Henoko fa toa hoe
Manahirana indraindray
Amin'ny hantahantakeliny.
Nefa atao ahoana re
Fa mahaiza manafay
Hahazoany ny tanteliny.

Fantatro fa tianao loatra
Izy telo mianadahy,
Ka tsy sahinao tenenina
Amin'ny ditra tafahoatra,
Nefa mba lazao ahy
Sao mba misy ala nenina.

Ilay sekoly vaovao
Izay vao namindranao azy
Moa ve mba arany ihany?
Satria mantsy fantatrao
Io tsy atao vazivazy
Fa antoky ny hiafarany.

Raha ny fiainanao indray
Aza tantarainao ahy
F'efa hita izao fa tsara.
Ny ahy koa dia tahak'izay
Tsy dia misy mampanahy
Fa dia mizotra soa aman-tsara.

Ilay mpampianatra ny ankizy
Efa notiavinao
Dia efa fantatro ny aminy:
Tia anao tanteraka izy
K'aza ataonao kilalao
Ny fanasoavanao ny akaniny.

Tsy ho lava resaka aho
Fa izay no anton-dia
Ny andro koa, ny andro ity mandroso alina.
Raha misy aizina mitraho
Mahaiza re mifankatia
Ary aoka hisaina lalina.

Tsy nandrebireby anao
Raha nivily ka namangy
Fa nadio ny fo sy saina:
Nanontany vaovao
Ary tsy tafandry mandry
Noho ireo sombinaina.

Jolene, Jolene, Jolene, Jolene!

mampi2003 | 05 Aprily, 2008 18:10

by Dolly Parton

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb