Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!
mampi2003 | 25 Jiona, 2008 23:21
25 jona 2008: cyberfety-ko faharoa.
Vokatry ny cyberfety voalohany dia tsapako mila manao fanatanjahan-tena ny atidohako fa tsy mahita izay atsimo sy avaratra amin'ilay resaka internet aho. Ny soa fianatra koa e, hitako tsara tarehy tsinona ny MySpace-n'ikalamako (efa hitan-droky ny blaogy vaovaon'i Uli?); an an an fa ny tena marina i Pissoa ilay nanontany hoe maninona no tsy atao ato amin'ny blaogy malagasy ny tononkalo no naniriako hanao pejy manokana. Dia mameno azy tsikelikely ao aho.
Dia misaotra anareo rehetra: soa fa nisy ianareo!
Ka dedaka aho anie izany e :-) Mba omeo tehaka kosa ry simplex a! Sady mba mora kokoa ho an'ny mazoto mamaky tononkalo e dia ato ny masaka azo atolotra àry.
E dia aza adino ny mamela hafatra (ao amin'ny Teny farany)! Soava tsarà daholo!
mampi2003 | 25 Jiona, 2008 08:43
mampi2003 | 24 Jiona, 2008 11:11
mampi2003 | 19 Jiona, 2008 11:55
"Ny namana ihany tokoa no lasa fahavalo" hoy i Tokinao izay. Fa dia nihodina aho ka nihodina fa dia voatanan'ny ordi teto adiny firy? Kisendrasendra nahavaky ity forum ity aho mantsy dia namadika ka namadika teto.
Raha nofeheziko izay novakiako dia izao:
1/ tsy tia "vazaha" sy tsy tia "gasy mihambo ho vazaha" (= miteny vazaha sy ireo mipetraka aty ivelany) ireo "malagasy" (= ireo nanoratra tao).
2/ tsy faly ireo "malagasy" ireo satria ny "mpanohitra" (= tsy manohana ny tohanany sy mitsikera ny tohanany) dia mampisara-bazana ny samy malagasy.
3/ "manan-karem-be Gasikara" ka na dia sahirana dia sahirana aza dia "matokia an'i Jehovah".
4/ "an-dalam-pandrosoana isika izao" ka aoka "tsy hanary lamba am-pandehanana". "Tafita isika fa tohizo ny lalantsika!"
Dia manontany tena aho ry zareo:
1/ Fa angaha moa raha miteny vahiny dia "mihambo ho vazaha" nefa ampirisihina ao hoe miomàna daholo handray ny fihaonambe afrikana 2009, mihetseha, "mitenena anglisy" bla bla bla etc etc
2a/ Izy manaratsy sy manavaka ity "gasy" toa izao sy ity "gasy" toa izao io ve tsy efa mampisaratsaraka?
2b/ Fa angaha moa rehefa tsy mitovy hevitra amin'ny tena dia hoe "fahavalom-pirenena", "mpamadika tanindrazana", "mpanakorontana"
3/ Mbola mitohy ny fampiasana ny Tenin'Andriamanitra hamitahana ny vahoaka tsy mandady harona! Mbola mandaitra ve io tetik'ady iray io hatramin'izao?
4/ Fa angaha moa tsy hoe nihemotra 50 taona indray ny fandrosoantsika?
Ho resaka tsy ho vita ity fa hofaranako amin'ny hirahiran'i Sareraka: Misaotra anao Andriamanitra... notroninao vahoaka dondrona ... ireo be mokondoha sahy mijoro ho mpanohitra, mikononkonona ny hanongana, alefaso sesin-tany ... androany androany
mampi2003 | 17 Jiona, 2008 10:11
- Iza, rankizy no naka ilay ariary zato napetrako teto ambony latabatra teto?
- ...
- Iza ho'aho no naka ilay ariary zato napetrako teto?
- Angamba inflation ry Dada!
Mitady ny lafatra ka
tsy mety afa-po!
Izay ny fiainana,
mikaroka ny mahasoa
sy ny mahafinaritra.
Rehefa tsy ato amin'ny
www.metrobloggen.se/lalasoa aho izany
dia manatevina ny ato amin'ny
www.everyoneweb.fr/lalasoa indray
| « | Jiona 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 |
| 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 |
| 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 |
| 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 |
| 29 | 30 | |||||