Blaogin'i Lalasoa

Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!

Cyberfety faharoa

mampi2003 | 25 Jiona, 2008 23:21

25 jona 2008: cyberfety-ko faharoa.

Vokatry ny cyberfety voalohany dia tsapako mila manao fanatanjahan-tena ny atidohako fa tsy mahita izay atsimo sy avaratra amin'ilay resaka internet aho. Ny soa fianatra koa e, hitako tsara tarehy tsinona ny MySpace-n'ikalamako (efa hitan-droky ny blaogy vaovaon'i Uli?); an an an fa ny tena marina i Pissoa ilay nanontany hoe maninona no tsy atao ato amin'ny blaogy malagasy ny tononkalo no naniriako hanao pejy manokana. Dia mameno azy tsikelikely ao aho.

Dia misaotra anareo rehetra: soa fa nisy ianareo!

Ka dedaka aho anie izany e :-) Mba omeo tehaka kosa ry simplex a! Sady mba mora kokoa ho an'ny mazoto mamaky tononkalo e dia ato ny masaka azo atolotra àry.

E dia aza adino ny mamela hafatra (ao amin'ny Teny farany)! Soava tsarà daholo! 

Ianareo lehilahy, hono

mampi2003 | 25 Jiona, 2008 08:43

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb