Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!
mampi2003 | 13 Desambra, 2007 22:42
Dedaka kely aho nahita ny wikipedia amin'ny teny malagasy. Efa miezaka marina mihitsy isika ka! Fa tokony hanampy tosika haingana ireo Malagasy mahafehy ny teny mba hahatafatsangana azy io tsara sy ho azo ampiasaina isan'andro. I Hery (Tsiky dia ampy!) no tazako mikofokofoka ao ka saika hampiditra teny itadiavako dikany amin'ny teny malagasy aho ka sahirana ihany, ry Hery.
Ahoana no adikantsika ny hoe "estime de soi" sy "confiance en soi" amin'ny tenintsika? Ny "confiance en soi" angamba "fahatokisan-tena" fa ny "estime de soi" "fiheveran-tena" ve? Dia lasa avy hatrany amin'ny fitenintsika mahazatra hoe "mihevi-tena ho zavatra" indray ny saiko dia toa tsy mety.
Fa manararaotra mitsikera ihany aho fa izay no mba vitako, ilay fanajana tsipelina dia tokony ho mandeha ho azy (ohatra: ny teboka roa dia mba arahina elanelana, ny torolalana tsy misy tendron-tsoratra fa ny lalàna no misy, toe-trandro sa toetr'andro?) Ny lahatsoratra rehetra, raha amin'ny ankapobeny no resahiko, dia tsy maintsy ahitana voambolana frantsay na anglisy ka manjary vary amin'anana be.
Fa na izany na tsy izany, efa tena tsara sy betsaka ny ezaka vita ka misaotra anareo misoron'afo ao! Homen'Andriamanitra tolo-tsaina foana anie!
mampi2003 | 28 Novambra, 2007 13:20
Belle!
mampi2003 | 17 Novambra, 2007 11:10
Efa ora maro izao aho no nipetraka teto. Tsy vitako ny raharaha ato an-trano fa ilaozako mamaky ny blaoginareo J Hadisoanareo daholo izao!
Nahafinaritra ny androany fa tena tsy maintsy hiala eto aho dia mba hanao ny fanaon’ny reny rehetra rehefa week-end! Sady te-hijery film Madagascar hono ny ankizy! They like to move it, move it! Hm ilaozako hianareo ka Bon week-end daholo!mampi2003 | 11 Novambra, 2007 12:10
Hira inona no mahalaza ny tantaram-pitiavanareo?
mampi2003 | 29 Oktobra, 2007 11:04
Raha toa indraindray ka nitondra tsy nety sy diso tamin’ny zanaka isika ray aman-dreny: mitenena azafady.
Fony mbola kely isika dia nampirisihina foana hiala tsiny sy hiteny azafady. Nony lehibe, mahalana isika vao miala tsiny na dia fomba tsara anehoana fanajana aza izany. Tena tsy fahita ny hoe olon-dehibe mandondona varavaran’efitry ny ankizy mba hiala tsiny noho ny fiteny na fihetsika tsy mety natao. Tsy midika fahambaniana anefa ny fanaovana izany.
Fa kosa midika fitomboana amin’ny maha-olon-dehibe.
Mitady ny lafatra ka
tsy mety afa-po!
Izay ny fiainana,
mikaroka ny mahasoa
sy ny mahafinaritra.
Rehefa tsy ato amin'ny
www.metrobloggen.se/lalasoa aho izany
dia manatevina ny ato amin'ny
www.everyoneweb.fr/lalasoa indray
| « | Aogositra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | |||||
| 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
| 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
| 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
| 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
| 31 | ||||||