Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!
mampi2003 | 19 Septambra, 2007 22:55
Iza aho? Ny toetrako sy ny manan-danja amiko kokoa eo amin'ny fiainana?
Raha mahavaly ireo fanontaniana ireo amin'ny tenantsika isika dia hahalala bebe kokoa ny azontsika hatsaraina eo amintsika sy ny fifandraisantsika amin'ny hafa, indrindra ny akaiky indrindra antsika: vady, zanaka, ray aman-dreny, iray tam-po ...

Hianaro ny Ennéagramme!
mampi2003 | 13 Septambra, 2007 10:09

Misy manaraka ity vaovao nanjavonan'i Madeleine McCann ity ve hianareo?
Inona no inoanareo? Novonoin'ny ray aman-dreniny ve izy? Nisy naka an-keriny ve izy? Tena fisaka loatra ny marina! Mbola misy manohy mitady azy ve any ho any?
Izany angamba ny tsy naha-polisy ahy. Mieritreritra io cas iray io fotsiny aho dia efa marary ny an-dohako!
mampi2003 | 11 Septambra, 2007 13:14
Ny fomba itoriana fitiavana ve no mihabetsaka ankehitriny ka toa mora ny milaza ho tia sy tiana? Sa ny atao hoe fitiavana mihitsy no miova dika?
Sendra tojo ireto tanora roa an-kevitry ny tsy mbola ampy 18 taona akory aho. Efa azonareo an-tsaina ny ataony, mifanorokoroka sns satria koa anaty vahoaka ka taitaitra ihany fa be ny mijery sy manara-maso. Nijery fampisehoana iray aho io. Nony hariva andeha hody, afaka ora roa na telo, olon-kafa no hitako nitantana ilay ankizivavy nivoaka ny fety, tsy ilay vao hitako teo mihitsy satria ilay teo nanao akanjo mainty hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia ka tsaroako tsara.
Dia vaka ny saiko. Mora miova loko ny fo ary tsy ketsa mora afindra intsony ity fa tokony omena anarana vaovao! "Taranaka" (génération) hafa mihitsy ny nandimby ny "taranaka"-Hotiaviko hianao raha mbola miaina koa aho!-
mampi2003 | 31 Aogositra, 2007 10:47
Lazainao fa tinao ny voninkazo
Nefa mbola otazanao tapahina;
Lazainao fa tinao ny vorona
Nefa idinao anaty tranony;
Lazainao fa tianao ny rivotra
Nefa hidinao ny varavarankely;
Dia gaga ve hianao raha matahotra aho
Ilazanao fa tia ahy hianao?
mampi2003 | 25 Aogositra, 2007 22:42
Tsaroako matetika ity hira ity tato ho ato. Tsy fantatro ny lohateniny sady tsy fantatro ny mpihira azy nefa haiko tsianjery ny tonony :-)
Satria, hoy ny fanantenako, Rehefa any am-pasa-mangina No hisy hilazalazako Ny miafina rehetra ao am-poko. Ilay endriko maloka teny ? Tsy ambarambarako anao, Raha tsy efa vovoka, eny, Izao vatako tazana izao. Ny zava-mahory ny saiko Tsy ambarambarako anao, Raha tsy efa voaraikoIlay fiainana iray vaovao.
Mitady ny lafatra ka
tsy mety afa-po!
Izay ny fiainana,
mikaroka ny mahasoa
sy ny mahafinaritra.
Rehefa tsy ato amin'ny
www.metrobloggen.se/lalasoa aho izany
dia manatevina ny ato amin'ny
www.everyoneweb.fr/lalasoa indray
| « | Aogositra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | |||||
| 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
| 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
| 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
| 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
| 31 | ||||||