Blaogin'i Lalasoa

Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!

Zavatra tsara

mampi2003 | 22 Aogositra, 2007 22:46

Efa folo andro mahery sahady aho izao no tsy nanoratra teto. Inona anefa no hosoratako?

Hmm, ny zavatra tsara telo nataoko androany:

1. Nahandro sakafo tsara ka nazoto homana ny ankizy rehefa avy nianatra: pâtes miaraka amin'ny sauce crème fraîche sy saucisses! :-)

2. Nivoaka ny trano niantsena sy nitondra ny ankizy nilalao bisikileta

3. Nahavita ilay boky nanomboka novakiako tamin'ny roa volana (How to be good, Nick Hornby)

Tsy mora ny nahavita ireo!

Mieritreritra anao

mampi2003 | 10 Aogositra, 2007 11:09

Voninkazo ho an'i Mama!

Sitràna soa haingana. Hotahian'Andriamanitra!

Manitra

Mieritreritra anao foana!

Fitiavana tonga lafatra

mampi2003 | 06 Aogositra, 2007 17:52

Mamaky ny blaogin'ny namana hafa rehetra ato aho ka miaiky mihitsy fa misy manana fahalalana betsaka momba ny fivavahana sy ny Baiboly.

Anisan'ny andinin-teny tsaroako matetika momba ny fitiavana ny Isaia 49:15

"Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy

Ka tsy hamindra fo amin'ny zanaka naloaky ny kibony?

Eny, mety manadino ihany izy,

Fa izaho kosa tsy mba manadino anao"

Tsy ho diso ny mananjara anie!

mampi2003 | 04 Aogositra, 2007 23:16

Mankasitraka ny rehetra nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka ity blaogy ity no voalohan-dahatsoratra.

Ho ambinin-java-manasatra daholo anie!

Sambatra ny mahay mifanampy!

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb