Blaogin'i Lalasoa

Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!

Ny niandohan'ny teny hoe 'mpifanolo-bodirindrina'

mampi2003 | 24 Jiona, 2008 11:11

Raha mankafy Sareraka!

mampi2003 | 19 Jiona, 2008 11:55

"Ny namana ihany tokoa no lasa fahavalo" hoy i Tokinao izay. Fa dia nihodina aho ka nihodina fa dia voatanan'ny ordi teto adiny firy? Kisendrasendra nahavaky ity forum ity aho mantsy dia namadika ka namadika teto.

Raha nofeheziko izay novakiako dia izao:

1/ tsy tia "vazaha" sy tsy tia "gasy mihambo ho vazaha" (= miteny vazaha sy ireo mipetraka aty ivelany) ireo "malagasy" (= ireo nanoratra tao).

2/ tsy faly ireo "malagasy" ireo satria ny "mpanohitra" (= tsy manohana ny tohanany sy mitsikera ny tohanany) dia mampisara-bazana ny samy malagasy.

3/ "manan-karem-be Gasikara" ka na dia sahirana dia sahirana aza dia "matokia an'i Jehovah".

4/ "an-dalam-pandrosoana isika izao" ka aoka "tsy hanary lamba am-pandehanana". "Tafita isika fa tohizo ny lalantsika!"

Dia manontany tena aho ry zareo:

1/ Fa angaha moa raha miteny vahiny dia "mihambo ho vazaha" nefa ampirisihina ao hoe miomàna daholo handray ny fihaonambe afrikana 2009, mihetseha, "mitenena anglisy" bla bla bla etc etc

2a/ Izy manaratsy sy manavaka ity "gasy" toa izao sy ity "gasy" toa izao io ve tsy efa mampisaratsaraka?

2b/ Fa angaha moa rehefa tsy mitovy hevitra amin'ny tena dia hoe "fahavalom-pirenena", "mpamadika tanindrazana", "mpanakorontana"

3/ Mbola mitohy ny fampiasana ny Tenin'Andriamanitra hamitahana ny vahoaka tsy mandady harona! Mbola mandaitra ve io tetik'ady iray io hatramin'izao?

4/ Fa angaha moa tsy hoe nihemotra 50 taona indray ny fandrosoantsika?

Ho resaka tsy ho vita ity fa hofaranako amin'ny hirahiran'i Sareraka: Misaotra anao Andriamanitra... notroninao vahoaka dondrona ... ireo be mokondoha sahy mijoro ho mpanohitra, mikononkonona ny hanongana, alefaso sesin-tany ... androany androany

Iza, rankizy?

mampi2003 | 17 Jiona, 2008 10:11

- Iza, rankizy no naka ilay ariary zato napetrako teto ambony latabatra teto?

- ...

- Iza ho'aho no naka ilay ariary zato napetrako teto?

- Angamba inflation ry Dada!

Vola, vola, vola!

mampi2003 | 11 Jiona, 2008 12:17

Vola, vola, vola, vola, vola, vola ...

  • raha tsisy vola tsy misokatra ny vava (hihinana ny sakafo naloa vola)
  • raha tsisy vola tsy misokatra ny varavarana (hivoaka ny trano handany vola)
  • raha tsisy vola tsisy varavarana nosokafana akory (hitady hofan-trano!)
  • raha tsisy vola ...

... hianareo manohy azy. Ny vola no ihodikodinan-draolombelona. Teraka handany vola, lehibe hitady vola, antitra mandany vola, maty tsy manam-bola.

Vola, vola, vola, vola, vola, vola... Aiza no misy vola? Aiza no alehan'ny vola?

Zava-bita japoney

mampi2003 | 03 Jiona, 2008 14:33

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12  Manaraka»
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb