Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!
mampi2003 | 05 Aprily, 2008 18:10
by Dolly Parton
mampi2003 | 31 Martsa, 2008 08:08
Dia faly mitondra ny anjara biriky (fa tsy boriky) amin’ity lalao lapino ity ny tenako. Tena ilaina ny fampahatsiahivana ny fitsipiky ny teny malagasy tahaka izao. Ireto àry misy vitsivitsy fampiasantsika saika isan’andro nefa disoina matetika.
Afak’omaly, omaly, androany, aninkeheo maraina, anio, rahalina, rahampitso, rahafak’ampitso.
Alatsinainy, talata, alarobia, alakamisy, zoma, asabotsy, alahady.
Janoary, febroary, martsa, aprily, jona, jolay, aogositra, septambra, oktobra, novambra, desambra.
Manamafy ny ’manatona-manantona’ an’i Tokinao aho. Manontany fa tsy manotany no izy. Nefa za-dratsy koa isika miteny hoe fahontana na dia hoe fahotana aza no marina. Lahatsoratra fa tsy lahantsoratra. Kizitim-belona fa tsy kizintina (tahaka an’i Pissoa J!).
Fa ity misy resaka mivaona (fa tsy mivoana), asa na fombantsika na fahazarantsika no azo ilazana azy, fa rehefa manoratra taratasy isika dia toy izao matetika no fanoratsika:
”Faly mamangy no manantena anareo ho salama izahay. Ny mpanoratra moa dia torak’izany ihany noho ny fitahian’Andriamanitra. I Lesabotsy irery no mbola osaosa fa efa nahazo tsindrona ihany ka angatahina amin’Andriamanitra hihatsara. Manao ahoana ny ankizy ao?”
Dia izay vao miditra amin’ny ventin-dresaka raha misy ventin-dresaka.
Indraindray maha-te-handingana ilay voalohan-dresaka fifanatsafana io. Kanefa raha sendra ny taratasy miatomboka amin’ny hoe ”Mamangy etsetra … ”, vao mainka (fa tsy maika) koa hafahafa fa toa makiana be ilay taratasy.
Mirary herinandro mahafinaritra ho anareo mpamaky rehetra!
mampi2003 | 27 Martsa, 2008 16:57
Anisan'ny mpihira malagasy kanto i Koike. Lasalasa tato am-bavako ity hirany ity androany tontolo ka zaraiko aminareo.
mampi2003 | 19 Martsa, 2008 13:52
Sahala amin'ny pôlitika, tsy dia tiako loatra ny miresaka fivavahana. Samy manana ny fandikany sy fandraisany zavatra mantsy ny olona ary matetika fifampitsikerana sy fifanimbana no betsaka imasoana noho ny fanitsiana ny hadisoana fototra.
Tsy mahadiso anefa angamba ny manipy teny kely ireo mpandala fivavahana satria efa akaiky ny Paka/Paska ka miandrandra fanadiovana sy fanavaozam-panahy ny maro.
Andalan-teny roa monja no tiako hampisaina ireo mihevitra ny toerany ara-piaraha-monina ho ambony kokoa noho ny reny na ny ray nipoirana. Mety ho diakona hianao, mety ho pasitera, mety ho kristiana tsotra mpiditra am-piangonana isan'alahady, tsy zoviana aminao ireo andalan-teny ireo. Tsy mendrika hanoro anao izany aho. Fa anio, mba tiako hodinihinao lalina ny teny sy hafatra ambarany:
Matio 15: 4, 5: "Fa Andriamanitra efa nanao hoe: 'Manajà ny rainao sy ny reninao', ary koa: 'Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa'. Fa hoy kosa hianareo: 'Na zovy na zovy no hilaza amin'ny rainy na ny reniny hoe:-Efa fanatitra ho an'Andriamanitra izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko-, dia tsy mba hanaja ny rainy akory izy."
Ohabolana 23:22: "Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy."
Atao ahoana no fino sy fanaiky Ilay Ray izay tsy hita raha ny ray sy reny hitan'ny maso izao aza tsinontsinoavina?
mampi2003 | 15 Martsa, 2008 16:57
Mitady ny lafatra ka
tsy mety afa-po!
Izay ny fiainana,
mikaroka ny mahasoa
sy ny mahafinaritra.
Rehefa tsy ato amin'ny
www.metrobloggen.se/lalasoa aho izany
dia manatevina ny ato amin'ny
www.everyoneweb.fr/lalasoa indray
| « | Aogositra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | |||||
| 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
| 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
| 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
| 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
| 31 | ||||||