Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!
mampi2003 | 13 Martsa, 2008 22:43
Be atao aho anio ka adinoko ny nijery horoscope-ko androany. Izao vita daholo ny atao vao tsaroako ka izao no novakiako:
| Votre Humeur : | ||||
| ||||
| ||||
| |||
Fa dia manoratsora-poana àry ve ireny mpanoratra horoscope ireny sa ahoana fa dia zavatra tsy miady amin'ny androaniko mihitsy no lazainy!? In-365 isan-taona aho no mivoady tsy hamaky an'ireny nefa in-365 isan-taona aho mamaky ilay izy foana! In-365 isan-taona aho manontany tena hoe: Miteniteny foana àry itony sa ahoana mihitsy?
![]()
mampi2003 | 08 Martsa, 2008 13:39
Dia mbola fitovian-jo ihany no irin'ny vehivavy amin'izao 08 marsa izao! Rahoviana no ho tanteraka?

mampi2003 | 03 Martsa, 2008 19:26
Intelo nampiditra ilay rohy mankamin'ilay hira aho fa tsy mety foana. Gaga anefa aho mahita hafatra avy amin'i news2dago avy amin'ilay lahatsoratra.
Hany heriko, ato izy no napetrako! Mazotoa daholo!
mampi2003 | 28 Febroary, 2008 09:23

Ny fomba sy fanao dia ny lehilahy no mangata-bady izay tiany halaina, ary na amin'ny fotoana inona na inona tiany hanaovana izany.
Eto Suède, ny 29 février ihany no mahazo mangata-bady ny vehivavy. Isaky ny efa-taona satria tsy isan-taona no misy 29 febroary. Mety hahazo 'Eny' izy! :-) Saingy raha tsy te-hanambady ilay vehivavy mangataka azy ralehilahy dia tsy maintsy mividy zavatra ho azy. Voninkazo tsara tarehy, ohatra.
Mitovy zo marina ve ny lehilahy sy vehivavy?
mampi2003 | 21 Febroary, 2008 21:55
Taraiky be mihitsy aho an! Efa mamadibadika ny blog-nareo jejoo rehetra aho vao azoko fa hay izay taggée dia manoratra ny profil-ny fito avy! sa ahoana ny fandehany r'ikalamako? dia aleo ny lafy ratsin'ny akanjo no aseho satria na io zipon-dry 30 cm io aza misy lafy ratsiny koa, avadiho ange e!
Ka izao e ataoko haingana hi-rattraper-na azy: ity kala taggée ity an, dia tsy tena taggée akory fa modimody taggée ![]()
1/ izy dia noana lava, tia misakafo nefa tsy tia mahandro (soa fa lavitra eto ny pizzeria raha tsy izany mihinana pizza isan'andro!)
2/ hatramin'ny mbola kely izy antsoin'i Mama hoe piso nefa izy tena tsy tia saka maizina sady tsy tia maizina saka, indrindra saka mainty ohatra an'i negreta sy negrone
3/ tiany jerena ny voninkazo mamelana fa tsy tiany ananana; ny cactus no manintona azy noho ny raozy (fahotana e!)
4/ mahavita mijery films 3 samihafa misesy izy nefa tsisy hainy ny anaran'ny acteurs tao anatiny (ny contenu no important aminy, ny ambiny an'ny mpanao analyse)
5/ ny ordinateur no namany akaiky azy indrindra sy ny fahavalo hiadiany isan'andro
6/ halany maizina ny lehilahy mampirafy, be farora-bava, be tai-maso ... halany maizina ny vehivavy mpamafy ady sy mpanaratsy olona ...
7/ mi-comprendre ny olona mamono tena izy indraindray, mi-comprendre ny olona manao la vie izy indraindray!
Vita tompoko! Miandry commentaires sisa!
Mitady ny lafatra ka
tsy mety afa-po!
Izay ny fiainana,
mikaroka ny mahasoa
sy ny mahafinaritra.
Rehefa tsy ato amin'ny
www.metrobloggen.se/lalasoa aho izany
dia manatevina ny ato amin'ny
www.everyoneweb.fr/lalasoa indray
| « | Aogositra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | |||||
| 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
| 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
| 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
| 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
| 31 | ||||||