Blaogin'i Lalasoa

Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!

Lazainao

mampi2003 | 31 Aogositra, 2007 10:47

Lazainao fa tinao ny voninkazo

Nefa mbola otazanao tapahina;

Lazainao fa tinao ny vorona

Nefa idinao anaty tranony;

Lazainao fa tianao ny rivotra

Nefa hidinao ny varavarankely;

Dia gaga ve hianao raha matahotra aho

Ilazanao fa tia ahy hianao?

Hevitra

Lazainao

Manohy | 31/08/2007, 13:47

Lazainao fa tianao ny hirako
Lazainao fa tianao ny tanako
Lazainao fa tianao ny tsikiko
Lazainao fa tianao ny molotro
Nefa ny masonao tsy mijery ahy akory!

Tsy voalaza daholo akory

Namana | 11/09/2007, 19:55

Ny Voalaza dia voalaza Kanefa aza adino re rahavako fa mbola misy tsy voalaza Dia ny fetran'ny fitiavako. Tsy hoe sanatria ho fananiana Na koa ianao tsy tiana Fa itovizan'ny rehetra Ny fahalemena sy ny fetra... Ka tsy sanatria ho zay fery Ny zava-tiana tsy voajery Tsy ho sanatria izaho irery Tsy masontsika hifampijery Fa hijery zava-tsy mitovy Kanefa izao no mba tsarovy Ho zary harena ho antsika roa, tsy sanatria fijery mandroroa Fa hahita zavatra hafa koa Hifampizarana mba ho soa
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb