Blaogin'i Lalasoa

Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!

Mitory fitiavana

mampi2003 | 11 Septambra, 2007 13:14

Ny fomba itoriana fitiavana ve no mihabetsaka ankehitriny ka toa mora ny milaza ho tia sy tiana? Sa ny atao hoe fitiavana mihitsy no miova dika?

Sendra tojo ireto tanora roa an-kevitry ny tsy mbola ampy 18 taona akory aho. Efa azonareo an-tsaina ny ataony, mifanorokoroka sns satria koa anaty vahoaka ka taitaitra ihany fa be ny mijery sy manara-maso. Nijery fampisehoana iray aho io. Nony hariva andeha hody, afaka ora roa na telo, olon-kafa no hitako nitantana ilay ankizivavy nivoaka ny fety, tsy ilay vao hitako teo mihitsy satria ilay teo nanao akanjo mainty hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia ka tsaroako tsara.

Dia vaka ny saiko. Mora miova loko ny fo ary tsy ketsa mora afindra intsony ity fa tokony omena anarana vaovao! "Taranaka" (génération) hafa mihitsy ny nandimby ny "taranaka"-Hotiaviko hianao raha mbola miaina koa aho!-

Hevitra

Aza Gaga

Harilova | 11/09/2007, 17:29

Ka inona no mhagaga amin'izany? Tsy sento ny fitiavana na mety hanomboka amin'ny tselabaratry ny fisentoana aza. Miha-matotra miaraka amin'ny fiainana ny fitiavana. Aza gaga ary aza adino fa indrindra ho antsika malagasy dia tsy azo odian-tsy hita ny tsy fahamatoran'ny fanabeazana momba ny fitiavana omena ny tanora, hany ka mifangaro ny filana sy ny fitiavana.
Tsy te hilaza zavatra betsaka aho fa jereo ireo efa nanoratra momba ny fitiavana rehetra, ohatra hoe http://harilova.blaogy.com/category/182/282 na blaogy hafa.
Andriamanitra no Fitiavana, nefa rehefa nadikan'ny olona hoe manao fitiavana ny manao firaisana ara-nofo, tsy azo ampitahaina amin'io fitiavana io Andriamanitra...
Andriamanitra no nahary antsika fa tsy isika no hanao "andriamanitra"...
Aza gaga fa tsy olona tia fa niala voly no hitanao...

Tsy ampy fitiavana

Mandinika | 12/09/2007, 07:55

Avaho tsara aloha fa misy karazany 4 ny fitiavana
1) agape ilay fitiavan'Andriamanitra resahin'i harilova
2) eros ilay mampifanintona ny lahy sy vavy resahin'i lalasoa
3) storge ilay mampifamatotra ny mpihavana: RR, rahalahy, rahavavy sns
4) filia ilay mampifankatia mafy ny mpinamana tsy misy fatotry ny rà

Ny fahitako azy indray, tsy ampy fitiavana (na storge, na filia) ny tanora ankehitrio ka miezaka mitady sy mameno fitiavana amizay manome sy mizarazara ho azy eny ka mifantoka be loatra amin'ny eros.

Noho izay dia very ilay soa toavin'ny tena fitiavana ka manjary FITIAVAN-TENA no manjaka.

Re: Mitory fitiavana

Pokona | 12/09/2007, 13:41

Ary tsy hitanao angaha ireny vehivavy sasany manambady aman-janaka nefa bandy hafa no manatitra miasa azy maraina, dia bandy hafa ny mitsena azy sy miara-midola aminy ny hariva?
Ny manao an'ireny no mamy hoditra fa hoe tena favy amizao!

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb