Blaogin'i Lalasoa

Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!

Fisaka ny marina

mampi2003 | 13 Septambra, 2007 10:09

Misy manaraka ity vaovao nanjavonan'i Madeleine McCann ity ve hianareo?

Inona no inoanareo? Novonoin'ny ray aman-dreniny ve izy? Nisy naka an-keriny ve izy? Tena fisaka loatra ny marina! Mbola misy manohy mitady azy ve any ho any?

Izany angamba ny tsy naha-polisy ahy. Mieritreritra io cas iray io fotsiny aho dia efa marary ny an-dohako!

Hevitra

Re: Fisaka ny marina

Reny | 13/09/2007, 10:57

Be ny zaza tsy hita sy kidnappés fa ny azy natao tantara be ho ren'izao tontolo izao!

Re: Fisaka ny marina

Ray | 13/09/2007, 19:43

Ato indray an! Mora ny manoso-potaka olona fa izaho aloha tsy tany ka dia tsy haiko marina izay nitranga e!

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb