Blaogin'i Lalasoa

Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!

Azafady, anaka!

mampi2003 | 29 Oktobra, 2007 11:04

Raha toa indraindray ka nitondra tsy nety sy diso tamin’ny zanaka isika ray aman-dreny: mitenena azafady.

Fony mbola kely isika dia nampirisihina foana hiala tsiny sy hiteny azafady. Nony lehibe, mahalana isika vao miala tsiny na dia fomba tsara anehoana fanajana aza izany. Tena tsy fahita ny hoe olon-dehibe mandondona varavaran’efitry ny ankizy mba hiala tsiny noho ny fiteny na fihetsika tsy mety natao. Tsy midika fahambaniana anefa ny fanaovana izany.

Fa kosa midika fitomboana amin’ny maha-olon-dehibe.

Hevitra

Re: Azafady, anaka!

Tsikisariaka | 29/10/2007, 14:19

Marina mihitsy io ary efa iaina(ko).
Io na ny hata-dàlana na ny fisaorana na ny fanetre-tena rehetra amin'ny alalan'ny fandeferana dia ilaina avy amin'ny Ray aman-dReny fa ity lazainao ity dia tena zava-dehibe tokoa ny ivohizana azy aty amin'ny serasera mivelatra toy itony.

Re: Azafady, anaka!

ikalamako | 29/10/2007, 23:22

ny lesoka hita tamin'ny fitaizan'ny ray aman-dreny taloha (na dia niteny foana aza i mamanay fa efa nihanilefitra niohatra tamin'ny fitaizan-dreniny azy) - izany hoe tamin'ny andianay dia mbola tena nanaja ray aman-dreny ara-bakiteny ny zanaka - no tsara ezahina arenina. Izany tsy manakana ny siaka hampahafantarana ny zanaka ny fetran'ny fahafahany.
Isan'ny ezaka lehibe ataoko io miala tsiny amin'ny zanako io rehefa hitako fa nihoa-pefy na tena tsy nety ny nataoko (oh tsy mibedy intsony aho raha mamaky entana izy, satria izaho koa aza mba mamaky, nefa tamin'ny andro taloha tonga dia bedy tsisy toa izany, lol).
Ilaina ny makan'ny fon'ny zanaka mba hahalasa mpinamana ny reny sy ny zanaka, indrindra amin'izao toetr'andro ankehitriny mahabe ny "ratsy" izao, fa raha tsy izany ahoana moa no hisokafan'ny fony hitantara aminao ny manjo azy ka hanampianao azy ?
Iombonako mihitsy ny hevitr'i mampi2003 fa mampiseho ny fitomboana amin'ny maha-olondehibe izany, fa tsy hoe mihamatotra fotsiny, fa mahay ny tsara tokony hampiharina sy ny tsy mety tokony hialana.

Re: Azafady, anaka!

Tsikisariaka | 30/10/2007, 09:52

Kanefa ilaina ny mibedy amin'ny fomba ahitana ny fitiavanao azy ny ankizy r'ikalamako a ! (ohatra io namaky vera io - dia satria ve ikala mba namaky vera dia tsy bedesina izy raha mamaky vera ? ohatra kely io an !)Fa tsara atoro azy ny tsy nety tamin'izay nataony ary tarihina mba hanana fihaikena ny fahadisoana izy fa tsy voatery hoe treromina na kapohina akory.

Re: Azafady, anaka!

ikalamako | 30/10/2007, 12:31

mamaky vera izany kosa raha tsy fanahy iniana tokony tsisy bedy e (angaha i tsikisariaka minanaka raha mamaky vera ny zàzà??? tssssss). Teneno mora fotsiny izy hitandrina amin'ny manaraka, tsy sarotra izany. Ny ahy aloha alaheloko ireny bedy tsisy toa izany taloha ireny e, nefa zavatra mpahazo ny olombelona rehetra ny mamotsotra ny eny an-tànana tsy nahy e. Lesoka hitako dia tsy averiko.
Amiko ny mila bedesina dia ny variana milalao fa tsy mianatra, ohatra ; ny tsy mahalala fomba, mila ahitsy ireny ka rehefa tenenina mora intelo inefatra dia mila bedesina izany fa raha tsy izay angamba tsy ho azony hoe "exiger"-ko ilay izy ; ao koa ny mandaingalainga...
Ao koa anefa ny tsy fifankazahoan-dresaka dia lasa ny bedy, hay rehefa zohina tsy diso izy (mateti-pitranga io ary mandainga izay ray aman-dreny milaza fa tsy mba niseho izany), tokony hiala tsiny ianao nibedy : "azafady anaka fa nentin'ny hatezerana aho tamin'iny ka tsy nanadihady tsara ny fandehan-javatra". Manome lanja ny maha-ianao anao eo imason'ny zanaka izany ka isokafan'ny fony kokoa, i.e. mahatsara ny fifandraisan'ny mpianaka e.

Re: Azafady, anaka!

simp | 30/10/2007, 20:43

miankina @ ilay zavatra tokony hanaovana azafady io, sy ny tension misy.
Fa matetika mi-compromettre ny authorite an'ilay RAD ilay izy no antony tsy hanaovany an'ilay azafady.
Rehefa mihalehibe ny ankizy no tokony ho raisina ho lehibe @ izay...

Re: Azafady, anaka!

mampi2003 | 31/10/2007, 12:35

Ny ao ambadik' ilay teny "azafady" no zava-dehibe amin'ny ankizy. Rehefa fantatry ny ankizy fa manaiky ny hadisoantsika isika lehibe ka miezaka manarina izay tsy mety hihatsara foana dia maka tahaka ny ataontsika izy.
Tsy matahotra manao diso na miaiky heloka amintsika koa izy. Na raha manana olana ny ankizy dia tsy matahotra ny hanatona antsika ray aman-dreny. Mifandray kokoa!

Re: Azafady, anaka!

ikalamako | 31/10/2007, 15:37

marina mihitsy izany. Any mihitsy ilay ironan'ny hevitro sy iombonako aminao. Satria tsy mitovy amin'ny fifandraisako amin'ny zanako ny fifandraisako tamin'ny reniko. Naleoko tsy nilaza n'inon'inona tamin'izany mba tsy hisian'ny bedy. Tsy haiko intsony hoe inona no tsara na tena tsy nety nataoko fa zavatra kely fotsiny dia nahabedy foana.
Indrindra ny ankizy ankehitriny amin'izao fiaraha-monina efa mibirioka sy mampatahotra izao, mila akaikezina mihitsy.
Asa aloha e !

anhan

simp | 31/10/2007, 16:13

ny firesahana aminy matetika, fandraisana ny confiance-ny dia efa antoka lehibe hisian'ny fifandraisana aminy.
Mibedy ve no antony hanaovana azafady sa ahoana, tsy azoko tsara ilay tiana hambara?
samihafa ny midaroka sy mitrerona sy manasazy sy mibedy an?
ny mibedy dia mananatra hoe tsy mety ny toy izao, @ manaraka izao atao...

Re: Azafady, anaka!

ikalamako | 31/10/2007, 20:53

Ny mibedy rehefa miakatra ny feo satria heverina ho tsy nety ny nataony.
Ny mananatra dia miteny am-pitoniana, mampianatra hoe tsy mety iny fa tandremo amin'ny manaraka.
Raha diso toerana ilay fibedesana dia tokony hialana tsiny (mety nisy tsy fifankazahoan-dresaka, oh : tara aho indray andro vao nody avy niangona, tonga dia bedy.
Ny antony nahabedy ? raha isan'andro amin'ny 12.30 mirava ny lamesa, tokony ho ao an-trano aho amin'ny 12.45. tamin'io fotoana io fetin'i Masina Maria, fa tsy fantatr'i mamanay hoe lamesa be, dia efa 12.45 vao mirava ny lamesa dia tara aho izany, tonga dia bedy be fa nataony dia nanita-dàlana. Efa ny ampitso niresaka tamin'i nenitoanay izy vao nahalala hoe lamesabe ny omalin'iny dia tara vao vita ny lamesa. Tsy tokony niala tsiny ve izy? Nanjary nalahelo an'izay foana aho hatramizao...dia nataoko lesona). :-)

:-)

simp | 01/11/2007, 14:23

ka satria nareo tsy miresaka matetika no mahatonga an'izany.

Normalement tokony afaka nilaza taminy ianao hoe, lava be tsiny ny fivavahana androany... dia mitohy ny resaka...

fampisehoana an'ilay authorite wa le miteny mafy iny fa tsy voatery manao an'iny foana akory.

;-)

Re: Azafady, anaka!

ikalamako | 02/11/2007, 00:00

ikalamako

fa 30 taona lasa angaha i simp tany Dago nahazo nanazava - tsy hoe mamaly fa manazava an. Io ilay fitaizana taloha lazaiko hoe rehefa hita ny lesoka taloha dia efa miova io ankehitriny. Any ilay lesoka ezahina naravona, ezahina tsy averina intsony fa atao lesona.
:-)

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb