Blaogin'i Lalasoa

Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!

Hadisoanareo izao!

mampi2003 | 17 Novambra, 2007 11:10

Efa ora maro izao aho no nipetraka teto. Tsy vitako ny raharaha ato an-trano fa ilaozako mamaky ny blaoginareo J Hadisoanareo daholo izao!

Nahafinaritra ny androany fa tena tsy maintsy hiala eto aho dia mba hanao ny fanaon’ny reny rehetra rehefa week-end! Sady te-hijery film Madagascar hono ny ankizy! They like to move it, move it!   Hm ilaozako hianareo ka Bon week-end daholo!

Hevitra

Re: Hadisoanareo izao!

ikalamako | 17/11/2007, 11:43

aza dia manao an'io kosa e, an-taigna samy taigna ange no eto e !
Bon week-end re,
Bon move it move it !

Re: Hadisoanareo izao!

DadaRabe | 17/11/2007, 12:07

Ha ! ha ! ha !
Tena toran'ny hehy aho ry Lalasoa ! marina moa !

Bon WE é!

DdRb

Re: Hadisoanareo izao!

simp | 17/11/2007, 23:35

raha blaogy no mitana
dia tsy mba fahotana
fa reglement an'ny fahasalamana :)

physically fit, physically fit
physically, physically, physically... 8)

Re: Hadisoanareo izao!

Lalasoa | 18/11/2007, 22:45

Jereo fa izao izao vao hatory fa dia mihodina dia mihodina ato, sa hoe mi-clic dia mi-clic ato, dia lasa ny ora sy fotoana.
Mazotoa manoratra daholo dia mirary herinandro mahafinaritra indray!

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb