Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!
mampi2003 | 13 Desambra, 2007 22:42
Dedaka kely aho nahita ny wikipedia amin'ny teny malagasy. Efa miezaka marina mihitsy isika ka! Fa tokony hanampy tosika haingana ireo Malagasy mahafehy ny teny mba hahatafatsangana azy io tsara sy ho azo ampiasaina isan'andro. I Hery (Tsiky dia ampy!) no tazako mikofokofoka ao ka saika hampiditra teny itadiavako dikany amin'ny teny malagasy aho ka sahirana ihany, ry Hery.
Ahoana no adikantsika ny hoe "estime de soi" sy "confiance en soi" amin'ny tenintsika? Ny "confiance en soi" angamba "fahatokisan-tena" fa ny "estime de soi" "fiheveran-tena" ve? Dia lasa avy hatrany amin'ny fitenintsika mahazatra hoe "mihevi-tena ho zavatra" indray ny saiko dia toa tsy mety.
Fa manararaotra mitsikera ihany aho fa izay no mba vitako, ilay fanajana tsipelina dia tokony ho mandeha ho azy (ohatra: ny teboka roa dia mba arahina elanelana, ny torolalana tsy misy tendron-tsoratra fa ny lalàna no misy, toe-trandro sa toetr'andro?) Ny lahatsoratra rehetra, raha amin'ny ankapobeny no resahiko, dia tsy maintsy ahitana voambolana frantsay na anglisy ka manjary vary amin'anana be.
Fa na izany na tsy izany, efa tena tsara sy betsaka ny ezaka vita ka misaotra anareo misoron'afo ao! Homen'Andriamanitra tolo-tsaina foana anie!
ikalamako | 14/12/2007, 12:55
aza misalasala fa andao mandray anjara mavitrika e ! Betsaka ny hovokarina fa ny mpijinja no vitsy :-P
xxx | 14/12/2007, 20:21
Jereo eto ilay wiki malagasy raha mbola nisy tsy nandalo tao ;)
Mitady ny lafatra ka
tsy mety afa-po!
Izay ny fiainana,
mikaroka ny mahasoa
sy ny mahafinaritra.
| « | Novambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | ||||||
| 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 |
| 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 |
| 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 |
| 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 |
| 30 | ||||||
Re: Wikipedia malagasy
hery | 14/12/2007, 08:44
Misaotra amin'ny fankaherezana e. Amin'ny maha wiki an'io dia afaka mandray anjara sy mametraka fanitsiana daholo ny mpandalo rehetra. Na ianao koa aza. Koa aza misalasala.
Be dia be ny ankizy mikarakara an'io ary misy aza vazaha. Izaho angamba no manao zavatra kely indrindra ao... koa tongava mandray anjara fa mila tanana io.