Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!
mampi2003 | 21 Desambra, 2007 23:01
Voaravaka hazonoely sy jiro isan-karazany aty fa handray krismasy indray. Mifamezivezy ny olona mividy kilalao sy fanomezana. Manomana ny handaniany ny andro maromaro tsy hiasana. Mamalifaly tena toy ny hoe hifarana tsy ho ela ny fiainana.
Fa izaho kosa manina ny noely any amintsika. Tsy noely tonga lafatra, tsy feno tondraka sakafo, noely masikìny kanefa noely mahasambatra. Noely mitabataba, noely misisika feno olona, noely henjikenjika. Noely tiana hiainana. Noely tsy mba adino. Tsy hay hoe nahoana.
Mitady ny lafatra ka
tsy mety afa-po!
Izay ny fiainana,
mikaroka ny mahasoa
sy ny mahafinaritra.
| « | Novambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | ||||||
| 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 |
| 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 |
| 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 |
| 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 |
| 30 | ||||||
Re: Ny any amintsika
ikalamako | 22/12/2007, 22:42
aty andafy toa fety efa mandavan-taona, manjary tsy hita ny hatsiron'ny akoho sy gateau, toa tsy misy lanjany intsony ilay akanjo vaovao fa efa mihaingo an-trano ny aty !!!
Ny ahy ny alin'ny 31 desambra handraisana ny taona vaovao no tena fety amiko aty ivelany aty satria tena eo no tafahaona ny tapaka sy namana rehetra hiara-hitsinjaka rehefa samy avy nitsitokotoko tany amin'ny fianakaviany tany izay manana ary nihainohaino nitambatambatra izay tsy manana.
Ka misy fy kokoa ilay masikiny fa mahasambatra any amintsika !
Dia mirary noely sambatra sy maniry soa ho an'ny taona vaovao hoo anareo ry lalasoa a !