Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!
mampi2003 | 11 Febroary, 2008 23:07
news2dago | 12/02/2008, 07:37
ka tena tsy mahasoratra anie rhf misy fihetsempo e! ny ranomaso aloa no mipotrapotraka voalohany!
mazotoa e!
Hery | 12/02/2008, 09:29
Misy ihany ao kah. :-)
Ny an'i pissoa sy sazykely ohatra
faux | 12/02/2008, 11:11
sazykely aza tsy mampiseho ny sariny akory!!!!
ahoana no ampisehoany ny fihetseham-pony
Tokinao | 12/02/2008, 14:10
Raha ny fijeriko azy dia izao : isika malagasy dia tsy zatra mamboraka fihetseham-po imasom-bahoaka loatra, ary somary fatra-mpandanjalanja sao mahatezitr'olona, na iomehezan'olona. Araka ny fijeriko dia tsy misy maharatsy sy mahatsara an'izany fa dia miankina @ toetran'ny tsirairay io.
Raha izaho manokana aloha dia ferako tsara (@ fomba fijeriko) ny zavatra tokony ho lazaiko eto sy ny tsy tokony e.
Ohatra :
- tsy tantaraiko eto ohatra ny sipako vaovao sao dia hamparary fo ny sasany, ary tsy hataoko eto koa ny sarinay, satria amiko dia mbola mitombina ny hoe : "tsy tsara ny mitari-bady tsy lasam-body ondry".
- zah manokana koa dia miezaka ny tsy miresaka an'ireto : resa-pôlitika, resa-pinoana, resaka firazanana, sns. Betsaka mantsy ny tsy hitovy hevitra amiko, izay leoko iany, fa ny ho hahatezitezi-poana olona no tsy tiako.
Zava-dehibe ny fiavanana e :-). Sa ahoana hoy nareo ?
hari love | 12/02/2008, 19:08
KA bilaogy anie io e
Raha tsy izany ve aho hilaza aminareo ny hafatr'i Pascal hoe misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina ho takarina na oviana na oviana!
Na ny heverintsika ho fietseham-po aza rehefa postée dia ny tena ihany no manova azy haingana! araka ny lazain'ny rehetra, indrindra i Tokinao hoe hahatezi-tezi-poana olona. Ny ahy aloha rehefa fantatro fa hevitra tsy hitovizana dia ataoko sangisangy zary tenany eo e
Lalasoa | 13/02/2008, 10:05
Ny ahy ny zavatra tsapako dia rehefa tara loatra vao sahy mampiseho ny fihetseham-pontsika marina isika (na amin'ny blaogy na tsy amin'ny blaogy indray ny resako).
Tahotra hahatezitra sy handratra na hanimba zavatra angamba!
sazykely | 13/02/2008, 16:05
Hery: misaotra amlin'ilay fanamarihana, ny mahagagaa hy dia izahoa za tsy dia annamarika izany
tamin'izaho vao hanokatra blaogy teto dia tadidiko ny tenin'ny zokiko vavy. Eritrereto izay ho soratana hoy izy fa ny olona rehetra eran-tany dia afaka hamaky io blaogindry io avokoa.
Mahaiza mandanjalanja .
Mety ho toy izay ihany koa ny nahatonga izany rehetra izany. Ny olona manko rehefa mifantina dia samy manana ny mason-tsivany e!
Mitady ny lafatra ka
tsy mety afa-po!
Izay ny fiainana,
mikaroka ny mahasoa
sy ny mahafinaritra.
| « | Novambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | ||||||
| 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 |
| 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 |
| 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 |
| 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 |
| 30 | ||||||
Re: Nahoana àry?
ikalamako | 11/02/2008, 23:49
angamba noho ny blaogy natao hifampizarana amin'ny ankapobeny fotsiny, noho ireo namana virtoaly fotsiny. Angamba hoy aho.
Nefa mety miankina ihany amin'ny fetran'ny teny hoe "fihetseham-po". Fa raha ny hafaliana sy ny fahoriana sy ny hatairana sy ny sisa no tian-ko faritana amin'ny hoe fihetseham-po dia toa mifamboraka ihany isika eto koh. Sa?