Blaogin'i Lalasoa

Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!

Izay vao azoko!

mampi2003 | 21 Febroary, 2008 21:55

Taraiky be mihitsy aho an! Efa mamadibadika ny blog-nareo jejoo rehetra aho vao azoko fa hay izay taggée dia manoratra ny profil-ny fito avy! sa ahoana ny fandehany r'ikalamako? dia aleo ny lafy ratsin'ny akanjo no aseho satria na io zipon-dry 30 cm io aza misy lafy ratsiny koa, avadiho ange e!

Ka izao e ataoko haingana hi-rattraper-na azy: ity kala taggée ity an, dia tsy tena taggée akory fa modimody taggée Innocent

1/ izy dia noana lava, tia misakafo nefa tsy tia mahandro (soa fa lavitra eto ny pizzeria raha tsy izany mihinana pizza isan'andro!)

2/ hatramin'ny mbola kely izy antsoin'i Mama hoe piso nefa izy tena tsy tia saka maizina sady tsy tia maizina saka, indrindra saka mainty ohatra an'i negreta sy negrone

3/ tiany jerena ny voninkazo mamelana fa tsy tiany ananana; ny cactus no manintona azy noho ny raozy (fahotana e!)

4/ mahavita mijery films 3 samihafa misesy izy nefa tsisy hainy ny anaran'ny acteurs tao anatiny (ny contenu no important aminy, ny ambiny an'ny mpanao analyse)

5/ ny ordinateur no namany akaiky azy indrindra sy ny fahavalo hiadiany isan'andro

6/ halany maizina ny lehilahy mampirafy, be farora-bava, be tai-maso ... halany maizina ny vehivavy mpamafy ady sy mpanaratsy olona ...

7/ mi-comprendre ny olona mamono tena izy indraindray, mi-comprendre ny olona manao la vie izy indraindray!

Vita tompoko! Miandry commentaires sisa!

Hevitra

Re: Izay vao azoko!

ikalamako | 21/02/2008, 22:10

ary aza ny sakako no tsy hahaiza-miaina an ! hihihi. Ny olona tsy tia saka koa ange tsy tian'ny saka maizina sy ny saka maramara e ...
"tsy tiany ilay namaoka menaka sa pus avy any anaty sofina", beurk (cf ikalamako.blaogy.org/taggée) : hadino niteny an'io
Ary tena mazoto manao devoara daholo ny taggés rehetra an. Ho avy iny i tokinao fa jereo ange e !
Milay e, misaotra ny namana.

Re: Izay vao azoko!

Lalasoa | 21/02/2008, 22:34

Tsy nitombina tamiko izay fa isaky ny mivoaka ny trano aho dia misy saka mainty roa izay ao ivelany ao mihazakazaka mankaty amiko foana, indraindray menatr'olona sendra mahita aho mandroaka azy ssshhh ssshhh, sorena aho hozy hianao tontolon'ny andro! Fa mety fifanehoam-pitiavan'izy roa koa ange ilay mifampisikotra sofina e! asa anefa aloha!

Re: Izay vao azoko!

mampi2003 | 21/02/2008, 22:37

Fa hahaliana ny mamaky ny devoirs-n'ireo lehilahy taggés ireo; ahoana hanao appel ve? -hery -dadarabe -tokinao -lehilahytsyresy -jentilisa -simp -harilova (ve lehilahy?) -news2dago -club

Re: Izay vao azoko!

simp | 21/02/2008, 22:44

kiiiiiiiii, club efa naika ho-tagger-ko tsssssssssssss
toi misongona an!

film 3 misesy ve ry ise tsy manangoza loha be loatra :)

Re: Izay vao azoko!

Lalasoa | 21/02/2008, 22:54

Ahoana no ho ngeza ny loha?
film comique no jerena voalohany, dia avy eo film comédie romantique, dia avy eo film dramatique, dia avy eo mitomany! (satria lany t@ film voalohany ny pop corn rehetra)

Re: Izay vao azoko!

pissoa | 21/02/2008, 22:57

pissoa

simp : haingana elah fa laozan'lah manao comment amin'ny tage fotsiny, hi hi.

Lalasoa : hi hi - izaho koa miandry be an'ireo. Ary aoka ny sakan'Ikalamako an lol

Re: Izay vao azoko!

mampi2003 | 21/02/2008, 23:21

Hitantarako zavatra 'nareo: te hanana biby ato an-trano ireto ankizy fa itantaran'ny namany any am-pianarana. -Maninona isika ry Neny raha maka alika? -Tsy mety fa ny alika mila entina mivoaka matetika any ivelany mi-pipi sy mi-caca, mila ampandroina matetika, mila ividianana sakafo sy akanjo, mila vaksiny, mila ... Dia nanaiky, fa roa andro aty aoriana... -Ary inona indray, ry Neny ny mila atao amin'ny saka? -... :-) E! raha mba fantatr'ilay zaza fa tsy tia saka ny reniny

ok

Tokinao | 21/02/2008, 23:44

Lalasoa a > ny namana iany tokoa no lasa fahavalo a :-). [momba ilay ordi no tiako resahina eto :-)]

Re: Izay vao azoko!

news2dago | 23/02/2008, 09:52

news2dago

de ahn tsara ny fandehan'ity taggé ity? to oh misy miantso zay mantsy kono!
andraso alo hamoron-dainga tsara e!

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb