Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!
mampi2003 | 28 Febroary, 2008 09:23

Ny fomba sy fanao dia ny lehilahy no mangata-bady izay tiany halaina, ary na amin'ny fotoana inona na inona tiany hanaovana izany.
Eto Suède, ny 29 février ihany no mahazo mangata-bady ny vehivavy. Isaky ny efa-taona satria tsy isan-taona no misy 29 febroary. Mety hahazo 'Eny' izy! :-) Saingy raha tsy te-hanambady ilay vehivavy mangataka azy ralehilahy dia tsy maintsy mividy zavatra ho azy. Voninkazo tsara tarehy, ohatra.
Mitovy zo marina ve ny lehilahy sy vehivavy?
lehilahytsyresy | 28/02/2008, 10:05
Mitovy zo kosa izany e. Samy afaka mangataka. Ny occasions fotsiny no samihafa.
lehilahytsyresy | 28/02/2008, 10:05
Mitovy zo kosa izany e. Samy afaka mangataka. Ny occasions fotsiny no samihafa.
news2dago | 28/02/2008, 10:12
De hangataka ve zany lalasoa?
mahazo ze irina e! raha tsy efa nahazo zay lol
Lahy | 28/02/2008, 10:14
Zah mba angatahana lalasoa a!
Ndao atao varotra omby anaty ambiaty a
ikalamako | 28/02/2008, 10:24
soa fa fantatra izany hieritreretana ny amin'ny efa-taona manaraka k'ity !
Ny bal bleu aza eto indraindray efa manahirana fa misy mitara-mena sy mandà tsotra izao ny bandy, tsss !
Harilova | 28/02/2008, 10:53
Resaka bleu sy mena izao hoa ry Ikalako ajanony any a
sady mbola afaka efa-taona izany vao hanana programa!
lol | 28/02/2008, 10:55
Lasa Ikalako koa le ikalamako! Hampiady mivady olona marina!
lol
pitou | 28/02/2008, 11:00
kay , to tsy d mbola antitsa lotra zah @ 29 fev 2012 kle hi!hi!hi!
oh ny milay be zany oe handeha hangata-bady izany
ikalamako | 28/02/2008, 12:14
efa lasa aho vao tonga saina fa hay danse bleue no tokony ho nolazaiko fa efa loham-bal loatra dia bal indray no voasoratra :-P
harilova : lol, aza mifangalatra ikala an ! ikalanao atrehana fa ny "ma"-ko avereno amin'ny toerany
pitou : hoy Elsa hoe : "à la même heure dans deux - ...non QUATRE manko e - ans"
simp | 28/02/2008, 13:16
mety ho consome alohan'ny fangatahana ilay mariazy ra mila miandry 4 taona zany kle :)
Lalasoa | 29/02/2008, 14:36
Resaka mangata-bady moa no nahatonga ilay resaka fitovian-jo e! Fa lavabe raha io no hiadiana hevitra.
Ny tiako marihina ilay resak'i Harilova hoe tombotsoa fitiavan-tena tsy afangaro @ fototra maha-olona.
Ohatran'ny mifanipaka ilay izy nefa miara-mandeha ireo amiko, anisan'ny fototra maha-olona ahy ny filako hanao zavatra mitovy @ lehilahy na vehivavy hafa koa raha mbola mamela ahy ny toe-batako.
Satria ny ara-batana angamba no tsy azo anoharana: raha jamba ohatra ny olona iray, tsy afaka ny hiady hanala ny fahajambany. Fa raha mitovy izao ny fahafahako manao zavatra toy ny lehilahy ohatra, na mifamadika, nahoana no nofefena (ny fiaraha-monina moa no tena mandray anjara be dia be amin'io!)?
Isika olombelona no nametraka hoe ny lehilahy no mangata-bady, isika olombelona no nametraka hoe ny lehilahy no mandoa onitra rehefa misaraka izany, ka nahoana no tsy voaovantsika olombelona izany? Nahoana no avadika hoe fototra maha-olona nefa ilay maha-olona mihitsy no mangetaheta fitoviana sy rariny?
harilova | 29/02/2008, 14:55
simp | 29/02/2008, 22:39
Lalasoa | 01/03/2008, 10:57
Ny homosexuels ange tsy noho ny fitakiana zo mitovy e, fa efa maha-izy azy! :-D
simp sy ny namana hafa: tsy nangataka aho ka sady tsy nahazo olona no tsy nahazo voninkazo! :-)
Mitady ny lafatra ka
tsy mety afa-po!
Izay ny fiainana,
mikaroka ny mahasoa
sy ny mahafinaritra.
| « | Novambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | ||||||
| 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 |
| 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 |
| 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 |
| 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 |
| 30 | ||||||
Re: Vehivavy mangata-bady
harilova | 28/02/2008, 09:58
Lalasoa a! Mitovy zo indraindray afangaron'ny sasany amin'ny mitovy andraikitra! Ny zo dia mifanandrify amin'ny anjara toerana. Ny fanajana ny zo dia ny fanajana ny maha-izy azy ny olona iray. ( jereo eto) saingy mazàna zavatra hafa no handraisana azy e.
Nahoana moa rehefa misaraka no voatery ny lehilahy foana no mandoha onitra nefa rehefa mitaky "zo" lazaina fa mitovy!
Ny tombontsoan'ny fitiavan-tena tsy azo afangaro amin'ny tombontsoa fototra maha-olona.
Soa aho aloha fa tsy any Suede e, raha tsy izany ho lany vola hividianana fanomezana (voninkazo...)