Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!
mampi2003 | 08 Martsa, 2008 13:39
Dia mbola fitovian-jo ihany no irin'ny vehivavy amin'izao 08 marsa izao! Rahoviana no ho tanteraka?

Lalasoa | 08/03/2008, 15:51
Misaotra Tokinao a!
Vehivavy lavitra fanjakana izao efa io akaiky fantsakana io!
simp | 08/03/2008, 16:38
Mirary soa eee
ikalakely | 08/03/2008, 19:20
Iny indray no tsy hitako an, lasa lehilahy ve ny vehivavy rehefa tsy ahandro, tsy hanasa, tsy hampirina...hihihi
Lalasoa | 08/03/2008, 20:03
Diso tsipelina angamba fa http://ikalakely.blogspot.com/ ny blog-n'ikalakely!
Tsara be ny lahatsoratra momba io *zohy* io!
Fa ilay zohy ange ohatran'ny hoe toerana maizina e! Nefa ve tsy toerana mena izy io?
harilova | 08/03/2008, 21:21
Miarahaba anao aho.
Aza dia manaiky horebireben'ny vazaha amin'ny resaka mandany jiro. Mbola tsy tanteraka ve ny fitovizan-jo amin'ny kolontsain-tsika?
Raha zohiana ny tantara dia efa nanana mpanjakavavy maro isika, saingy ny mampalahelo dia tamin'ny fotoana nanjakan'ny "sasany" tamin'izy ireny no nisy ny martiora!
Ataoko angamba fa raha voaosihosy ny zon'ny vehivavy, ankoatra ny resa-panolanana izay tsy hoe fanajana zo fa habibiana! dia noho ny vehivavy ihany.
Oviana no ho tanteraka? rehefa tsapan'ny tsirairay fa mitaky andraikitra ny zo!
Aza kivy fa tsy tahaka anao avokoa akory ny fisainan'ny vehivavy rehetra! Mitolòma ary mahaiza mitolona!
Sady ianareo anie no maro an'isa e! Izay be no basy hoy ny fitenenana, saingy!!!!!
Mamerina ny arahaba arivariva e
DadaRabe | 08/03/2008, 21:42
Dia miarahaba anareo vehivavy Lalasoa à! ho henin-kaja sy voninahitra anie ary hifanotrona amin'ny....lehilahy ! :-)
ikalamako | 09/03/2008, 00:20
miarahaba antsika isika (mbola vao 10 mn no mihoatra ny sasakalina an), aleo tara toa izay tsisy...
news2dago | 09/03/2008, 16:16
misaotra e!
miarahaba ny vehivavy fanaja e!
Helisoa | 20/03/2008, 19:10
Tena mahafatifaty ilay sary ary tafita tsara izay tiana ambara e !
Misaotra re Ramatoa o !
http://rahelys.unblog.fr
Mitady ny lafatra ka
tsy mety afa-po!
Izay ny fiainana,
mikaroka ny mahasoa
sy ny mahafinaritra.
| « | Novambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | ||||||
| 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 |
| 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 |
| 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 |
| 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 |
| 30 | ||||||
ok
Tokinao | 08/03/2008, 14:21
Mampme le sary hihihi. Misaotra Lalasoa fa tafita ny hafatra a!
Miarahaba anao sy ny vehivavy rehetra e! Dia maniry tokoa ny mba hahasambatra anareo vehivavy, ny mba ahafahanareo milaza hevitra malalaka, indrindra ireo izay any ambanivohitra alavitra fanjakàna.