Blaogin'i Lalasoa

Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!

Tsy izao Paka izao ihany!

mampi2003 | 19 Martsa, 2008 13:52

Sahala amin'ny pôlitika, tsy dia tiako loatra ny miresaka fivavahana. Samy manana ny fandikany sy fandraisany zavatra mantsy ny olona ary matetika fifampitsikerana sy fifanimbana no betsaka imasoana noho ny fanitsiana ny hadisoana fototra.

Tsy mahadiso anefa angamba ny manipy teny kely ireo mpandala fivavahana satria efa akaiky ny Paka/Paska ka miandrandra fanadiovana sy fanavaozam-panahy ny maro.

Andalan-teny roa monja no tiako hampisaina ireo mihevitra ny toerany ara-piaraha-monina ho ambony kokoa noho ny reny na ny ray nipoirana. Mety ho diakona hianao, mety ho pasitera, mety ho kristiana tsotra mpiditra am-piangonana isan'alahady, tsy zoviana aminao ireo andalan-teny ireo. Tsy mendrika hanoro anao izany aho. Fa anio, mba tiako hodinihinao lalina ny teny sy hafatra ambarany:

Matio 15: 4, 5: "Fa Andriamanitra efa nanao hoe: 'Manajà ny rainao sy ny reninao', ary koa: 'Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa'. Fa hoy kosa hianareo: 'Na zovy na zovy no hilaza amin'ny rainy na ny reniny hoe:-Efa fanatitra ho an'Andriamanitra izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko-, dia tsy mba hanaja ny rainy akory izy."

Ohabolana 23:22: "Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy."

Atao ahoana no fino sy fanaiky Ilay Ray izay tsy hita raha ny ray sy reny hitan'ny maso izao aza tsinontsinoavina?

Hevitra

Re: Tsy izao Paka izao ihany!

lap | 19/03/2008, 14:40

Misaotra an'i Lalasoa, voaray ny hafatra !

Re: Tsy izao Paka izao ihany!

pissoa | 19/03/2008, 15:44

Mankasitraka o !

Re: Tsy izao Paka izao ihany!

DadaRabe | 19/03/2008, 23:01

MArina izany ry Lalasoa !
Tokony hahay hanaja sy hahatsiaro ireo nahitana masoandro.

Akaikikaiky ny paska !

LOL

harilova | 20/03/2008, 16:49

harilova

Lalasoa a! Ny tsy fitovian-kevitra mihitsy no tokony hifampiresahana misimisy satria miankina amin'ny fahaiza-mihaino no hahafahana mandinika sy manamari-pototra ny finoana sy ny zavatra inoana eny fa na ny hevitry ny tena manokana aza.
Misaotra anao fa hanaja ny raiko aho (avy amin'ny fianakaviana protestanta) ary tsy hanamavo ny reniko (avy amin'ny fianakaviana katolika) !
Anisan'ny tsiambaratelon'ny Tagg n'Ikalamako io a!
Mirary Paska sambatra ho an'i Lalasoa e

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb