Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!
mampi2003 | 31 Martsa, 2008 08:08
Dia faly mitondra ny anjara biriky (fa tsy boriky) amin’ity lalao lapino ity ny tenako. Tena ilaina ny fampahatsiahivana ny fitsipiky ny teny malagasy tahaka izao. Ireto àry misy vitsivitsy fampiasantsika saika isan’andro nefa disoina matetika.
Afak’omaly, omaly, androany, aninkeheo maraina, anio, rahalina, rahampitso, rahafak’ampitso.
Alatsinainy, talata, alarobia, alakamisy, zoma, asabotsy, alahady.
Janoary, febroary, martsa, aprily, jona, jolay, aogositra, septambra, oktobra, novambra, desambra.
Manamafy ny ’manatona-manantona’ an’i Tokinao aho. Manontany fa tsy manotany no izy. Nefa za-dratsy koa isika miteny hoe fahontana na dia hoe fahotana aza no marina. Lahatsoratra fa tsy lahantsoratra. Kizitim-belona fa tsy kizintina (tahaka an’i Pissoa J!).
Fa ity misy resaka mivaona (fa tsy mivoana), asa na fombantsika na fahazarantsika no azo ilazana azy, fa rehefa manoratra taratasy isika dia toy izao matetika no fanoratsika:
”Faly mamangy no manantena anareo ho salama izahay. Ny mpanoratra moa dia torak’izany ihany noho ny fitahian’Andriamanitra. I Lesabotsy irery no mbola osaosa fa efa nahazo tsindrona ihany ka angatahina amin’Andriamanitra hihatsara. Manao ahoana ny ankizy ao?”
Dia izay vao miditra amin’ny ventin-dresaka raha misy ventin-dresaka.
Indraindray maha-te-handingana ilay voalohan-dresaka fifanatsafana io. Kanefa raha sendra ny taratasy miatomboka amin’ny hoe ”Mamangy etsetra … ”, vao mainka (fa tsy maika) koa hafahafa fa toa makiana be ilay taratasy.
Mirary herinandro mahafinaritra ho anareo mpamaky rehetra!
news2dago | 31/03/2008, 10:46
misaotra e!
DotMG | 31/03/2008, 13:10
Toa avrily hono fa tsy aprily no amporisihin'ny Akademiam-pirenena momba ny Teny. Tao amin'ny fandaharana Vahatra tamin'ny fahitalavi-pirenena no nahitako an'izay dia mba gaga ihany aho. Tsy haiko intsony na ilay mpamaky (Vero Rabakoliharifetra angaha tamin'izay) no diso na izy no tsy diso.
Tsikisariaka | 31/03/2008, 14:18
Fa tsy azoko hoe mivaona ahoana ry Lalasoa ? Inon amoa izany no tokony hosoratana rehefa manomboka ny taratasy ?
Nahoana moa no Avrily ???? mahavariana nefa dia Akademiam-pirenena ve ?
Lalasoa | 31/03/2008, 16:10
Tsikisariaka> Mivaona satria tsy mahakasika fitsipi-pitenenana fa mahakasika fomba na fahazarantsika. Tamin'ny tsy mbola nisy 'mails' dia zatra manatsafa fahasalamana toa io aho vao miresaka zavatra hafa. Fa nony nisy 'mails' dia 'Manao ahoana' fotsiny no soratako ary tonga dia miroso amin'ny hevitra tiana lazaina.
tokinao | 31/03/2008, 18:45
Misaotra Lalasoa a!Nahaizako zavatra ity lahatsoratrao ity :-).
Dotmg > mahatsikaiky indray 'zany 'ko.aprily foana no fiheverako azy hatrizay :-).
lap | 01/04/2008, 09:18
Misaotra e
Ary hono ho'aho, Mey sa May no izy amin'ilay anaram-bolana ?
Asa koa raha izaho no diso, fa tsy mivoana ve no izy ? Voana no fototeny, ilay ahazoana koa an'ilay hoe "manoro voana".
Lalasoa | 01/04/2008, 13:25
Ha ha! tsy hitako indray hoe tsy voatonona tao ny volana 'mey'! Efa antitra rankizy a!
Ny 'mivaona' angamba no tena fanoratra fa ilay fanononana azy no mahatonga antsika hieritreritra hoe 'mivoana', toy ny hoe 'foana', 'moana', 'loana'. Na mitovy fanonona amin'ireo koa aza ireto dia soratana 'misaona', 'mikidaona' (teny gasy ve izany?), 'mihaona'.
Fa hafa mihitsy indray ny hoe manoro 'vohona'. Ary mbola hafa koa ny 'voina' rehefa tra-boina!
Mitady ny lafatra ka
tsy mety afa-po!
Izay ny fiainana,
mikaroka ny mahasoa
sy ny mahafinaritra.
Rehefa tsy ato amin'ny
www.metrobloggen.se/lalasoa aho izany
dia manatevina ny ato amin'ny
www.everyoneweb.fr/lalasoa indray
| « | Aogositra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | |||||
| 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
| 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
| 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
| 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
| 31 | ||||||
Re: Aza ampijaliana ny tenintsika
ikalamako | 31/03/2008, 09:20
misaotra akia lalasoa amin'ny fandraisana anjara. Hita fa tena be ny mavitrika eto kay fa tsy very nanjavona ny hevitr'i lap.
Mankasitraka hatrany amin'ny fifampizarana fahalalana o !