Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!
mampi2003 | 15 Aprily, 2008 22:09
Tohina tokoa mahare ny fahalasanan'i Romule. Ho ahy manokana, tsy maty izy fa matory. Ny fahatsiarovana ny vazivaziny sy tsikitsikiny ary ny kalokalony dia mitoetra mandrakizay.
Atolotro eto ny hirany tiako indrindra:
Tsy handrebireby anao
Raha nivily ka namangy
Amin'ny andro harivariva.
Manontany vaovao
Sanatria tsy hisangisangy
Na tonga koa hanivaiva.
Tsy hamboraka fitia
Na hitantara koa ny amiko
Fa mitandro fihavanana.
Isika moa nisara-dia
Nefa maminao sy mamiko
Ireo zaza iaraha-manana.
Efa ho herintaona mantsy
No nisarahantsika toerana
Noho ny antony efa fantatrao.
Isika akory tsy olon-dratsy
Na tsy nisy fiheverana
Fa ny lahatra ankamantatra.
Fa nandalo dia nahita
Ny efitranonao nivoha
Mbola misy hazavana.
Ela tsy nifankahita
Sanatria tsy hilanja loha
Fa mitondra fiarahabana.
Ny momba ireo zanatsika
Izay mipetraka aminao
Moa ve, moa ve salama tsara?
Satria moa ny amintsika
Dia efa fantatro sy ianao
Fa nivalona ho tantara.
Henoko fa toa hoe
Manahirana indraindray
Amin'ny hantahantakeliny.
Nefa atao ahoana re
Fa mahaiza manafay
Hahazoany ny tanteliny.
Fantatro fa tianao loatra
Izy telo mianadahy,
Ka tsy sahinao tenenina
Amin'ny ditra tafahoatra,
Nefa mba lazao ahy
Sao mba misy ala nenina.
Ilay sekoly vaovao
Izay vao namindranao azy
Moa ve mba arany ihany?
Satria mantsy fantatrao
Io tsy atao vazivazy
Fa antoky ny hiafarany.
Raha ny fiainanao indray
Aza tantarainao ahy
F'efa hita izao fa tsara.
Ny ahy koa dia tahak'izay
Tsy dia misy mampanahy
Fa dia mizotra soa aman-tsara.
Ilay mpampianatra ny ankizy
Efa notiavinao
Dia efa fantatro ny aminy:
Tia anao tanteraka izy
K'aza ataonao kilalao
Ny fanasoavanao ny akaniny.
Tsy ho lava resaka aho
Fa izay no anton-dia
Ny andro koa, ny andro ity mandroso alina.
Raha misy aizina mitraho
Mahaiza re mifankatia
Ary aoka hisaina lalina.
Tsy nandrebireby anao
Raha nivily ka namangy
Fa nadio ny fo sy saina:
Nanontany vaovao
Ary tsy tafandry mandry
Noho ireo sombinaina.
ikalamako | 15/04/2008, 22:52
oups ! izay no fandaharana manko e !
ikalamako | 17/04/2008, 14:55
"...
Fa nandalo dia nahita
Ny efitranonao nivoha
Mbola misy hazavana.
Ela tsy nifankahita
Sanatria tsy hilanja loha
Fa mitondra fiarahabana.
..."
...sanatria tsy hananihany @ ilay fahoriana fa hitako lasa saka ny avatar-nao tweety teo :-P
Lalasoa | 19/04/2008, 08:43
Hi hi hi Tsy ilay saka no jereko fa ilay soratra! Sady zanatsaka io fa tsy saka no tsy saka mainty koa!
Mitady ny lafatra ka
tsy mety afa-po!
Izay ny fiainana,
mikaroka ny mahasoa
sy ny mahafinaritra.
| « | Novambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | ||||||
| 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 |
| 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 |
| 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 |
| 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 |
| 30 | ||||||
Re: Tsy maty fa matory
ikalamako | 15/04/2008, 22:49
aoka re ry lalasoa.
Ny fahazazako, ny fahatanorako sy ny fahamatorako dia norotsian'ny hiran'izy telo lahy foana. Ontsa aho e !
Izy no fandaharana hoy i tsikisariaka izay.
sniff sniff