Blaogin'i Lalasoa

Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!

Io anarana io

mampi2003 | 19 Aprily, 2008 08:51

Manahirana ny vahiny ny manonona ny anarako. Be dia be ny fanononan-dry zareo azy io diso: [lalasola], [lalaosa], [lasolasa], [lasola] … Mahasorena ahy tamin’ny voalohany saingy lasa zatra aho rehefa ela ny ela. Omaly izay kely ny tsy nahatapaka ny tsinaiko nahita ilay ankizy niantso mafy niarahaba ahy sady nanonona hoe [salasola]!  

Ahoana no anononan’ny vahiny ny anaranareo?

Hevitra

Re: Io anarana io

ikalamako | 19/04/2008, 11:44

ikalamako

hihihi
masakra be tsisy indrafo mihitsy ny ataon'ny vazaha ny anarantsika an ! lazain-drizareo koa va akia fa sola indry, tsss
Ny ahy lasa rundjiu ny fanoratra azy na dia isaky ny mamaly ny taratasiny aza ianao dia manoratra tsara hoe rondro - grrrr. Dia ao ny runju, ranji, rinju. Misy iray izay efa nipetraka tany dago mbola rondroun - asa angaha taiza no nahitany sy nahenoany ilay n farany.

Re: Io anarana io

news2dago | 19/04/2008, 12:24

news2dago

soa ihany ny ahy fa teny vazaha de mora @ ihany ny manonona azy!lol

Re: Io anarana io

Mahefa | 21/04/2008, 06:47

Mahefah no fiantsony ny anarako.

Re: Io anarana io

miangaly | 23/04/2008, 23:04

oaaaaay post saika nosoratako fa tsy maninona akory ;-) Tsy hain'ny olona aty am fara-vazatany mihitsy ny manonona ny anarako. Misy versions telo arakaraky ny olona. Ny tena mahafanina an-dry zareo dia rehefa mahita an'ilay izy an-tsoratra!

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb