Blaogin'i Lalasoa

Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!

Fivarotan-tena

mampi2003 | 23 Aprily, 2008 21:39

Sendra mpanao enquête aho omaly, mpianatra any amin'ny oniversite (psychologie) hanoratra thèse. Anisan'ny fanontaniana be dia be napetrany ny hoe "Aminao, tokony horaràna eto Suède ve ny 'prostitution'?" Marihiko fa eto azo atao ny mivarotra (mivaro-tena) saingy raràn'ny lalàna ny mividy (sazy an-tranomaizina herintaona fara fahakeliny no miandry izay tratra mividy!) - Ny navaliko azy dia hoe TSIA! Taitra ihany ilay mpanadina ka tonga dia notohizako hoe, satria na horaràna aza io tsy ho foana mihitsy. Noho ny lalàna misy ankehitriny dia vehivavy be dia be eto no manoratra blaogy, mitonona ho mpivaro-tena/miasa manao escort, mitantara ny andavanandrony sy ny "karama be" raisiny, ny tamby ataon'ny lehilahy aminy ho lasa vadiny ... mipetaka ny adiresy mail, koa ahoana moa no tsy ahafahan'izay te-hividy mifandray amin'ny mpivarotra mora foana?

Betsaka ny ezaka ataon'ny fanjakana eto hanenjehana ny tera-taniny mividy (tena) na eto izy no manao izany na any ivelan'i Suède. Saingy tsy ho foana io fa vao mainka mirongatra aza. Ary tsy ny vehivavy ihany fa na ny tovolahy aza dia maro no mirotsaka an-tsehatra, indrindra ny étudiants.

Tsy horesahiko eto ny volabe lazainy raisiny fa tsy fantatra na marina na tsia tsinona, fa mamaky ilay izy aho dia mieritreritra ireo mpivaro-tena >mafy ady< any amintsika hoe, raha ry zareo no tonga aty dia "mba mahaleo ny sarany ny vidiny"! Wink

Fehiny, tsy sahala amin'i jentilisa hoe vao manomboka ny resaka dia "manamarika dieny mialoha aho fa hanafintohina olona maro ity lahatsoratra manaraka ity." Saingy zava-misy tsy azo odian-tsy hita izany na tsy mahakasika ny tena aza.

Hevitra

Re: Fivarotan-tena

ikalamako | 23/04/2008, 22:34

ikalamako

izay vao tena marina izany fa misy ny ikotomako fa tsy ikalamako fotsiny ihany, hihihi

Re: Fivarotan-tena

miangaly | 23/04/2008, 23:10

Ie zava-misy tsy azo odian-tsy hita tokoa.
Raha izaho no nanontaniny dia hozy aho hoe amorony asa hafa mahafa-po sy mahavelona asolony an'ilay fivarota-tena izy raha tianareo foanana ny asany.

Marina mihitsy ny anao amilay hoe mba mahaleo ny sarany ny vidiny raha toa ka :-)

Hafa indray ny toerana misy an'i Lalasoa izany an, any Suede hummmm. Faly nahita an'ity blaogy ity!

tolotra sy tinady

lehilahytsyresy | 24/04/2008, 10:59

Fa ahoana kosa ary ny afitsoky ry suedois ao izany ?
Ny mpivarotra avela mivarotra , fa ny mpividy kosa rarana tsy hividy.
Izany kosa ve tsy ilay antsointsika Malagasy hoe: "manome tsifoifoy" ? ? :-) hihihi

Re: Fivarotan-tena

Lalasoa | 24/04/2008, 12:52

ikalamako> hay izay no niavian'ny pseudo-nao, tsy tao an-tsaiko indray fa heveriko hoe anaran-kazo angamba izany kalamako izany dia nasiana 'i' fotsiny eo aloha

miangaly> misaotra mitsidika!

lehilahytsyresy> rehefa tsy misy mividy hozy dia foana ho azy ny mpivarotra

Re: Fivarotan-tena

kdaombaramita | 24/04/2008, 12:54

Le plus vieux métier du monde ! Hafa mihitsy ny toe-tsaina suédois ka, tena malaza mihitsy ry zareo amin'ny sexe ! Tandremo ary ho anareo izay any ô ! ;-)

Re: Fivarotan-tena

Lalasoa | 24/04/2008, 14:16

kdaombaramita> ny henoko indray anefa dia hoe ny vehivavy polonaises moa ny lehilahy arabes no malaza amin'io zavatra io

Re: Fivarotan-tena

maintikely | 24/04/2008, 22:08

Io arakaraky ny hoe handrarana azy vao maika mampirongatra azy!
goût de l'interdit e! raha vao rarana vao maika ataon'ny sasany.

Hafa koa ilay hoe azo atao ny mivarotra fa ny mividy no tsy azo atao!!!nefa raha vao misy ny mivarotra tsy maintsy misy foana ny mividy! tolotra sy tinady :)

ary raha natao hoe maninona raha hamoronana maison close?lol

Re: Fivarotan-tena

Lalasoa | 25/04/2008, 22:18

maintikely> fa na tsy raràna aza misy manao foana ka

tsss

harilova | 26/04/2008, 22:05

harilova

Tsy mivaro-tena izany ny izy raha izany fa mampanofa ko!
Zavatra amidy ve dia avela any am mpivarotra?
Asa aloha e
Ny mivarotra olona no efa henoko, ity mivaro-tena ity mila ovana fa tsy mifanaraka main'ny heviny ny zavatra ataony!
Prostitution izany moa raha adika ara-bakiteny dia inona no dikany?
pro statuere!!!
Misalosalo eo anoloana!
dia ahona ny vokany?

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb