Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!
mampi2003 | 28 Aprily, 2008 16:56
Niara-nitsangatsangana tamin-drainy teny an-dohasaha ity ankizilahy kely. Tampotampoka teo, tafintohina izy ka nianjera naharary. Aaaaayy! hoy izy niantso. Gaga izy raha nahare ny feony ihany namerina hoe: Aaaaayy! Te-hanamarina izy ka niantso indray hoe: Iza hianaaao? Nahazo valiny avy hatrany izy: Iza hianaaao? Sorena amin’ny valin-teny azony ka niantso indray hoe: Kanoosa ialahy! Izay ihany ny valiny azony: Kanoosa ialahy!
Nojereny rainy ka nanontaniany: Fa ahoana no mahatonga izany ry Dada? Nihomehy rainy sady namaly hoe: Henoy izao, anaka. Dia niantso mafy izy: Mahafinaritra ahy hianao! Namaly ny lohasaha hoe: Mahafinaritra ahy hianao! Namerina niantso mafy ihany izy hoe: Mpandresy hianao! Namaly ilay feo: Mpandresy hianao!
Gaga ilay zazalahy, nefa tsy azony veroka izay mitranga. Dia nohazavain-drainy: Ako no iantsoana izany, fa raha ny tena marina izany ny fiainana. Miverina aminao izay rehetra lazainao sy ataonao. Ny fiainantsika dia tsy inona fa fitaratry ny ataontsika. Ka raha te-hahazo fitiavana be hianao, manàna fitiavana marina ao am-ponao, mizarà fitiavana amin’ny manodidina anao. Na inona na inona atao eto, ny fiainana hamerina amin’ny tsirairay izay rehetra nozarain’ny tsirairay.
Tsikisariaka | 30/04/2008, 15:16
Rotsak'orana mijohy
Andro maloka manjombona
Feo malefaka fivoy
Ako sisa tafatombina
Lasa mantsy fa tsy tàna
Ilay nandrasana hampifaly
Miverena hoy ny antsoko
Ako sisa no namaly
.....................
Ako no lohatenin'io ary tononkalo nosoratana tany amin'ny taona 1978 tany ho any....
Ka hay ny ako tsy mampiteny irery indraindray fa mampiresaka ilay mampiako !
Mirary soa fa izaho mantsy sendra nandalo dia amin'ny mbarakaly any indray e !
Tsikisariaka | 30/04/2008, 15:16
Rotsak'orana mijohy
Andro maloka manjombona
Feo malefaka fivoy
Ako sisa tafatombina
Lasa mantsy fa tsy tàna
Ilay nandrasana hampifaly
Miverena hoy ny antsoko
Ako sisa no namaly
.....................
Ako no lohatenin'io ary tononkalo nosoratana tany amin'ny taona 1978 tany ho any....
Ka hay ny ako tsy mampiteny irery indraindray fa mampiresaka ilay mampiako !
Mirary soa fa izaho mantsy sendra nandalo dia amin'ny mbarakaly any indray e ! Dia... MAMPAMANGY !
Mitady ny lafatra ka
tsy mety afa-po!
Izay ny fiainana,
mikaroka ny mahasoa
sy ny mahafinaritra.
| « | Novambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | ||||||
| 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 |
| 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 |
| 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 |
| 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 |
| 30 | ||||||
Re: Ako
ikalamako | 28/04/2008, 17:52
:-)
tsy ratsy indray iny !