Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!
mampi2003 | 17 Mey, 2008 14:12
Tsy olana io amin’ny tany mandroso, hoy ny fitenin-jatovo any amintsika. Fa tafintohina ihany ny tena nahita ity sary ity tamin’ny gazety.

Ny amerikana no nahita an’izao ary manomboka hiparitaka eto koa (100 isam-bolana eo no lafo tato anatin’ny efa-bolana izay). Tsara hono fa araka tsara ny zaza amin'izao no libre kokoa! Sady misy nounours aoriany ka tian’ny ankizy ery!
Ka inona moa fa dia mitombo indray izany ny conccurents-n’ny alika ko!
lehilahytsyresy | 17/05/2008, 15:15
Amin'izao koa mba tsy voatery manao lava-lela mibedibedy zaza intsony ny ray aman-dreny fa tonga dia misintona fotsiny raha vao mitady ho lasa mirifatra lavitra loatra ny boay kely.
Amim-patsany tsara kosa io hoy aho ry Lalasoa.
news2dago | 18/05/2008, 09:36
Hita oa efa resaka alika mihitsy izy izany
Lalasoa | 19/05/2008, 10:19
Raha zaza efa mandeha ve tsy aleo andehandeha eny e, rehefa sendra ny toerana sao handratra azy dia raisina fotsiny izy ka na hotrotroina aza moa maninona e?
Izao angaha no fandrosoana ka!
simp | 19/05/2008, 13:09
tokony hatao lavalava le tady
kdaombaramita | 19/05/2008, 16:08
Misy koa anie ny zaza maditra manahirana ny mitazona azy, mafy loha sns. Misy ilaina azy ihany ilay izy rehefa sendra izay cas izay ! Soa ihany ny zaza gasy fa tsara taiza !
misa | 19/05/2008, 17:56
kdaombaramita> ny itaizanao azy ihany no jinjainao aminjanakao, raha maditra izy dia ianao no taratra tahafiny voalohany
vokatry ny fitaizana no mampaditra na tsy mampaditra ny ankizy fa tsy ny mahagasy na ny maha sinoa ohatra
raha hainao ny mitaiza sy mampita ny baiko omenao azy dia hain'ny zaza na mbola kely bilitika aza ny tokony atao. Fantany koa ny tsy azo atao (interdit).
Saingy tsy tokony mila voatsiary ny RaD, ka zaza herintaona ohatra dia heverina fa ahay hisaina sy andanjalanja toy ny olondehibe.
Anjaran'ny lehibe ny mieritreritra hoe rehefa sendra toerana voafaritra tsara natokana ho an'ny ankizy dia omena liberté ry zareo, la découverte fait partie de l'apprentissage. Entina any am parc, ludothèque sns... Ankoatrizay dia afaka ajanona anaty posety ny ankizy fa tsy ilaina fatopatorana ohatra ny alika !!!
ireto amerikana reto an
| 19/05/2008, 20:15
simp | 20/05/2008, 01:11
ny berceau ve tsy efa otran'ny karazana cage ihany :P
Lalasoa | 20/05/2008, 08:53
Ny berceau kosa hiarovana azy tsy hikodia rehefa matory satria mbola mihetsiketsika ny zazakely
maintikely | 20/05/2008, 11:06
ny olombelona olombelona ihany!
tohana daholo tsika hoe fatopatorana ohatry ny alika! satria alika no fatorana ohatran'io!
fa raha saka izao no fatorana ohatran'io dia vitsy no tohana!
ny idée hoe alika izany no manahirana ny saintsika fa tsy ilay zaza mifatotra loatra!
misa: fa ny zanakao anga baikonao?aleoko indray mieritreritra io sary ambony io toy izay hoe baikona! izany hoe tsy maintsy hanao ny sitraponao izy izany....
autorité no tokony hanananao aminy ary valiany respect fa tsy hoe baiko....
Tsy ekeko loatra ilay hoe fitaizana ihany no mahatsara na ratsy ny zaza! ny recherche ary efa misy hoe @lafin'ny génétique no mahatonga ny ditra sasany! ao koa moa ny société hiainana sy ny environnement misy antsika.
Ekeko aloha fa misy lanjany lehibe ny fitaizana fa tsy izy irery ihany!
Tokinao | 20/05/2008, 13:18
ity ndray no tsy hitako ry mampi2003.
Nahita hevitra tsara aloha izay namorona azy e!
Ny hitako ho tombontsoan'izy ity koa dia izao: afaka miaraka amina ankizy be dia be : na ankizy enina aza ve tsy hety ?!!! hihihi
Na izany tsy izany aloha, dia marina ny anao e : sarotra amin'ny sain'ny malagasy ny hanaiky azy ity.
Betsaka mantsy ny malagasy no mieritreritra ny hevitra ambadika foana fa tsy mijery ny "mahatsotsotra ny fiainana". Sa ahoana hoy 'nareo ;) ?
Kdaombaramita | 20/05/2008, 20:49
Tokinao < raha 5 angambany ry ise dia mety hifatopatotra be ny tady no hiafarany !!!!
Misa < haiko tsara sy fantatro ny mitaiza zaza fa tsy théorie be akory no ananako, ary ny fitaizana malagasy dia hafa mihitsy no mahatonga ahy miteny izany. Izany ohatra no mahatonga anao miteny "ireto amerikana reto an !" na ianao ary mahatsapa izany ! Sady sao heverinao fa tsy mba nahazo anatra sy “nobaikoana� ( ??? hafahafa) moa ny ankizy rehetra fa rehefa lehibebe misy foana ny maningana maditra dia izao no iafarany ! Tsy voatery hijinja ny taiza nataonao ianao @ izay lafiny izay !
Averiko indray izay voasoratro etsy ambony ho an'ny tsy mahazo resaka hoe : "Misy ilaina azy ihany ilay izy rehefa sendra izay cas izay" !
Lalasoa | 20/05/2008, 22:09
Manahirana ity resaka fitaizana ity an!
Eo ihany ilay resak'alika fa ilay izy voafatotra mihitsy no tsy eken'ny saiko e.
Ny alika, na ny saka ange biby e, ary na voa-dresse tsara aza izy, eo ihany ny maha-biby azy sy izay fisehoan-javatra mety tsy hahatana azy dia eo no miasa ilay tady.
Ity zaza, olombelona ary hozarina ny tontolo manodidina azy, ka nahoana raha avela handeha malalaka eny, rehefa misy toe-javatra azo anitsiana azy dia ahitsy sy atoro izy, ampianarina.
mampi2003 | 20/05/2008, 22:25
Tokinao < Mandalo dia mitsidika sa efa miverina?
Zaza iray mifatotra aza efa manahirana ko enina ve?
Fa io araky ny lazain'i Pissoa, aleo tantanana izy e, ilain'ny zaza koa ange ny contact physique amin'ny ray aman-dreny e! Ny fandraisantsika ny tanany ao dia efa henony hoe mitazona mafy azy isika na tony tsara sns
sitlo | 23/05/2008, 16:15
Na aiza, na aiza misy foana ny mpangala-jaza.
Ary ny zaza tsy mieritreritra ho toy ny alika izany raha atao ohatra an'izao.
Mahazo tananana ange izy indraindray, fa ny tananao fohy, mampitombo koakoa ny fahafahan'ilay zaza izao.
¤Radio¤ | 27/05/2008, 08:26
Dia misy mananihany hoe Ilay vadiny mampirafy lava azy io hono no tiany asiana an'io!
:-)
Mitady ny lafatra ka
tsy mety afa-po!
Izay ny fiainana,
mikaroka ny mahasoa
sy ny mahafinaritra.
Rehefa tsy ato amin'ny
www.metrobloggen.se/lalasoa aho izany
dia manatevina ny ato amin'ny
www.everyoneweb.fr/lalasoa indray
| « | Jolay 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | ||
| 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 |
| 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 |
| 20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 |
| 27 | 28 | 29 | 30 | 31 | ||
Re: Ahoana hianareo amin'izao?
pissoa | 17/05/2008, 15:12
lool !
Fa maninona izy raha tantanana fotsiny raha tsy tiana handeha lavitra ! Izao ve ry reto dia hoe libre kokoa ... saingy hoe ny zaza moa rehefa tsy kanosa toa karazan'ny "dog-person" izay ka angamba tsy hampaninona azy hi hi hi.