Blaogin'i Lalasoa

Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!

Ho an'i Dada

mampi2003 | 01 Jiona, 2008 00:12

Ity hira ity dia atolotro ho an'i Dada feno taona androany; mahafinaritra ahy ny maheno azy iny mihirahira; mino aho fa hihira ity hira tiany ity any ho any izy na tsy henoko aza ny feony noho ny elanelan-tany!

ANY HO ANY

Any ho any , any ho any, izay ilay havako

Manina azy anie aho, ilay hany malalako

Iza re, iza re no afarako

Teny fohy hoe "Malahelo ka vangio,

Aza ariana lahy fa mba tsiditsidiho"

Miova loko izay jereko raha lavitra anao

Ny alahelo anie, mba atero ka alao

Manina aho anio kanefa tsarovy,

Tsarovy fa ampitso ihany hianao

Dia hizaka vetsovetso mitovy

OSSY

Hevitra

Re: Ho an'i Dada

ikalamako | 01/06/2008, 12:50

ikalamako

"ny alahelo anie ka telo kilao" hozy zandrinay taloha fa tsy hainy hoe "ka atero ka alao" no izy.
Dia ampitao amin'i Dada koa ny firariantsoa avy aty amin'ny namana e. Ho lava andro hiainana hono hoe, hifanantitra amin'ny zanaka aman-jafy.

Re: Ho an'i Dada

Lalasoa | 01/06/2008, 13:24

Misaotra ikalamako a! 3 kilao marina ny alahelo! :-)

Re: Ho an'i Dada

simp | 01/06/2008, 15:25

annif ve ny dikan'le hoe feno taona?
otran'ny hoe vao erin-taona ny fanenony hihi

bon annif hono hoe
:)

Re: Ho an'i Dada

Lalasoa | 01/06/2008, 15:48

Hi hi Na i Pissoa koa aza nilaza hoe Feno 18 taona ve ilay hoe -feno taona-?
Zatra ny eto milaza hoe "feno taona" aho rehefa hoe anniversaire-ny e! Mitsingerina androany dia feno taona iray androany!

Re: Ho an'i Dada

pissoa | 01/06/2008, 16:13

Hi hi - hay hitan'i Lalasoa ihany ilay hevitra ! :-)

Re: Ho an'i Dada

Lalasoa | 01/06/2008, 16:33

Ie, fa nitambatra ilay soratra/hira ho'aho rehefa manao copier-coller dia novonoiko ilay lahatsoratra dia vao namerina mihitsy aho.

Re: Ho an'i Dada

pissoa | 01/06/2008, 17:49

Fantatro ka ! Fa tamin'ny nanamboatra azy i Lalasoa no namela hevitra aho dia noheveriko hoe ho very. Saika hamerina hametraka azy aho no nahatonga ahy nanoratra hoe hay hitanao ihany fa tsy very izany hi hi.

Miarahaba e :-)

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb