Blaogin'i Lalasoa

Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!

Vola, vola, vola!

mampi2003 | 11 Jiona, 2008 12:17

Vola, vola, vola, vola, vola, vola ...

  • raha tsisy vola tsy misokatra ny vava (hihinana ny sakafo naloa vola)
  • raha tsisy vola tsy misokatra ny varavarana (hivoaka ny trano handany vola)
  • raha tsisy vola tsisy varavarana nosokafana akory (hitady hofan-trano!)
  • raha tsisy vola ...

... hianareo manohy azy. Ny vola no ihodikodinan-draolombelona. Teraka handany vola, lehibe hitady vola, antitra mandany vola, maty tsy manam-bola.

Vola, vola, vola, vola, vola, vola... Aiza no misy vola? Aiza no alehan'ny vola?

Hevitra

Re: Vola, vola, vola!

ikalamako | 11/06/2008, 12:26

"Vola ô, hatraiza moa ny fetran'ny herinao,
Ny herinao,
Vola ô, ny olona rehetra
Manaiky anao, manompo anao
Andevonao."

Re: Vola, vola, vola!

simp | 11/06/2008, 15:19

fa le hoe mamolavola nefany otran'ny tsy misy hifandraisana @ vola loatra an :)

Re: Vola, vola, vola!

lehilahytsyresy | 11/06/2008, 16:06

Toa karazam-bola avy any amin' ny tany tandrefana angamba ireto alahatrareo ireto an.
...
Ho anay tsy-dia-manana-azy-io izao dia ny "ranovola" (= ranon'apango) no ataonay mameno kibo.

Re: Vola, vola, vola!

news2dago | 11/06/2008, 18:11

aza de mieritreritra be an'izany fa mitapy eo ny farany

Re: Vola, vola, vola!

pissoa | 11/06/2008, 19:22

pissoa

Raha tsisy vola mety tsy nanana anarana ny olona be dia be antsoina hoe Vola hi hi hi

Re: Vola, vola, vola!

kdaombaramita | 11/06/2008, 20:46

kdaombaramita

"Ny vola fitady
ô ô ô
Ny hery tsy fanary
Ô ry lahy
Ny harena miankina
@ vintana sy anjara"

Ilaina ny vola fa tsy ataoko zava-dehibe indd eo amin'ny fiainako sao andevoziny aho.

Io

Vola | 12/06/2008, 00:24

Qui m'appelle ? Je suis là !

tpt :))

Re: Vola, vola, vola!

lehilahytsyresy | 16/06/2008, 08:52

Lalachou. Jag älskar dig.
;-)

Re: Vola, vola, vola!

Lalasoa | 16/06/2008, 10:45

Lhltsrs: Mahay mampiasa dictionnaire an!

Re: Vola, vola, vola!

kdaombaramita | 16/06/2008, 19:19

kdaombaramita

Milaongy inona koa i Lhltrs izany ?

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb