Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!
mampi2003 | 19 Jiona, 2008 11:55
"Ny namana ihany tokoa no lasa fahavalo" hoy i Tokinao izay. Fa dia nihodina aho ka nihodina fa dia voatanan'ny ordi teto adiny firy? Kisendrasendra nahavaky ity forum ity aho mantsy dia namadika ka namadika teto.
Raha nofeheziko izay novakiako dia izao:
1/ tsy tia "vazaha" sy tsy tia "gasy mihambo ho vazaha" (= miteny vazaha sy ireo mipetraka aty ivelany) ireo "malagasy" (= ireo nanoratra tao).
2/ tsy faly ireo "malagasy" ireo satria ny "mpanohitra" (= tsy manohana ny tohanany sy mitsikera ny tohanany) dia mampisara-bazana ny samy malagasy.
3/ "manan-karem-be Gasikara" ka na dia sahirana dia sahirana aza dia "matokia an'i Jehovah".
4/ "an-dalam-pandrosoana isika izao" ka aoka "tsy hanary lamba am-pandehanana". "Tafita isika fa tohizo ny lalantsika!"
Dia manontany tena aho ry zareo:
1/ Fa angaha moa raha miteny vahiny dia "mihambo ho vazaha" nefa ampirisihina ao hoe miomàna daholo handray ny fihaonambe afrikana 2009, mihetseha, "mitenena anglisy" bla bla bla etc etc
2a/ Izy manaratsy sy manavaka ity "gasy" toa izao sy ity "gasy" toa izao io ve tsy efa mampisaratsaraka?
2b/ Fa angaha moa rehefa tsy mitovy hevitra amin'ny tena dia hoe "fahavalom-pirenena", "mpamadika tanindrazana", "mpanakorontana"
3/ Mbola mitohy ny fampiasana ny Tenin'Andriamanitra hamitahana ny vahoaka tsy mandady harona! Mbola mandaitra ve io tetik'ady iray io hatramin'izao?
4/ Fa angaha moa tsy hoe nihemotra 50 taona indray ny fandrosoantsika?
Ho resaka tsy ho vita ity fa hofaranako amin'ny hirahiran'i Sareraka: Misaotra anao Andriamanitra... notroninao vahoaka dondrona ... ireo be mokondoha sahy mijoro ho mpanohitra, mikononkonona ny hanongana, alefaso sesin-tany ... androany androany
DotMG | 19/06/2008, 12:54
Voavakiko tsara ny hevitrao fa sao ianao halaim-panahy hilaza hoe mamaky lohateny fotsiny aho dia avy eo mametraka kômantera tsy misy ifandraisany @ ilay hevitra.
Tamin'ny andron-dRatsiraka, kasety Sareraka izay no novidiako ho fanomezana ho an'i Dada noho ny fitsingerenan'ny taona nahaterahany, izy mantsy mirevy Sareraka sady mba efa hitako misy milay ihany koa ny hiran'ilehio tamin'izany. Dimy arivo tamin'izany ny vidiny (lafo noho ny an'ny mpanakanto hafa, izay teo amin'ny 3500Ariary na 17500Fmg angamba ny orizinaly). Orizinaly fa sady fanomezana ilay izy moa izaho rahateo rehefa mividy asa gasy (mahalana) dia orizinaly ihany. Saingy indrisy fa hay fatin-kira no tao, eritrereto izay hira sendra mandeha amin'ny onjam-peo ka vao henoina dia mahate-hanolo mari-drefy, fa dia 11 amin'ny ohatr'izay no sangan'asan'ilehiry tao.
Hay ireny mpanakanto ireny koa (i Lalasoa tsy anisany) mba misoloky ihany indraindray, ka zavatra tsy misy kantony no amidy lafo ery.
news2dago | 19/06/2008, 16:48
andraso kely alo fa efa hiongana izy e
lehilahytsyresy | 20/06/2008, 12:14
Ilay No.3 voalazanao io dia mbola mandaitra tsara amin' izao fotoana kah.
Raha mahay mitanisa chapitres sy versets avy ao anaty baiboly ianao, ka mahay manao trucage kely mody ilazana hoe "nisy fahagagana", dia ampy tsara mihitsy ireo hahatonga anao hotoavin' ny olona eto Mada.
Mitady ny lafatra ka
tsy mety afa-po!
Izay ny fiainana,
mikaroka ny mahasoa
sy ny mahafinaritra.
| « | Novambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | ||||||
| 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 |
| 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 |
| 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 |
| 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 |
| 30 | ||||||
Re: Raha mankafy Sareraka!
ikalamako | 19/06/2008, 12:52
minoa fotsiny, minonoa !!!
:-D