Blaogin'i Lalasoa

Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!

Ohabolana ve?

mampi2003 | 04 Jolay, 2008 22:44

Androany aho vao naheno ny hoe: "Ny mpiady tsy misy mpampionona dia ho tonga any Antaninarivo". Efa in'efatra, in-dimy aho mamerina mamaky azy fa tsy azoko mihitsy hoe inona àry ny dikan'izany? Ohabolana malagasy ve izany sa hainteny? Misy mahafantatra ny tian'izany ambara ve ianareo?

Smile Mba mety nahita ambara ihany aho raha hoe: "Ny mpiblaogy tsy misy vola dia ho tonga any Roma" Money mouth

Hevitra

Re: Ohabolana ve?

ikalamako | 05/07/2008, 00:51

kiii, hidika izany fa tena tsy ho avy i lalasoa ? grrr
"Antso avo hahatongavan'i lalasoa" : izany no ho lohatenin'ny lahatsoratra manaraka, lol
Minoa akia , minonoa !

Re: Ohabolana ve?

pissoa | 05/07/2008, 18:14

Hi hi - za koa aza toa i lalasoa no nahenoako an'io voalohany.

Re: Ohabolana ve?

simp | 07/07/2008, 00:02

mety any Antananarivo no misy ny tribonaly ka...
hevitr'akoho :)

Re: Ohabolana ve?

Lalasoa | 07/07/2008, 13:33

Possible (doty!) be!

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb