Manana ny tanjony sy ny lalana alehany ny rehetra, fa izaho nifidy hanana ny ahy ho eo anelanelan'ny tsara sy ny lafatra!
mampi2003 | 09 Jolay, 2008 09:58
Nisy mpizaha tany tonga tany Afrika, hono, nanontany tompon-tany iray raha misy 'requin' ny rano aty. Dia nahazo antoka izy fa tsy misy 'requin' any.
Nony tena teny amoron-drano izy ary efa niroboka mihitsy dia tsy natoky indray ka niantsoantso mafy be:
- Tena marina ve fa tsy misy 'requin' aty?
- Tena marina e! Efa nampitahorin'ny voay daholo ny 'requin' dia lasa!
news2dago | 09/07/2008, 15:10
LoL
pissoa | 09/07/2008, 16:37
hi hi hi -
mankasitraka hatrany lalasoa mba mampivanitika ato ampiasana ato a ha ha ha
lehilahytsyresy | 10/07/2008, 07:08
ih ih ih !
tsy ratsy indray iny !
maintikely | 10/07/2008, 13:22
tpt tpt
lehilahytsyresy | 10/07/2008, 21:25
Ary inona tokoa ary no mba nahatonga ny Ntaolo niteny hoe:
"manaonao foana toy ny Andriamanitra nanao ny voay".
Rehefa tena dinihina tokoa, dia tsy hita be ihany hoe inona no tena anjara-asan' ny voay eo amin' ny tontolo iainana... :-)
simp | 11/07/2008, 00:52
Tsy dia hoe ilay anjara asany fotsiny fa izy ratsy tarehy be ihany koa ka :)
Mitady ny lafatra ka
tsy mety afa-po!
Izay ny fiainana,
mikaroka ny mahasoa
sy ny mahafinaritra.
Rehefa tsy ato amin'ny
www.metrobloggen.se/lalasoa aho izany
dia manatevina ny ato amin'ny
www.everyoneweb.fr/lalasoa indray
| « | Aogositra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | |||||
| 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
| 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
| 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
| 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
| 31 | ||||||
Re: Tantara mampihomehy
DotMG | 09/07/2008, 12:41
Ary izay izany no nahatonga an'ilay fitenenana hoe lasa ny atsantsa dia misosoka ny voay.